airtel

Actualités

17-juin-2025

Minisiteran’ny varotra sy fanjifana

Efa miroso amin’ny fanadihadiana momba ilay fahapoizinana

Sample post image

Tsy nipetra-potsiny fa omaly ihany dia nidina ifotony teny Ambohimangakely,

17-juin-2025

toerana nisy ilay trano fanaovana lanonana nahafatesana olona maro tao anatin’ny fankalazana ny tsingerin-taona ny Ministera tompon’andraikitra. Ny fitsirihana hataon’ireo laboratoara no hamaritra ny fisiana fanapoizinana avy amin’ny kalitaon-tsakafo, araka ny fanazavan’ny Tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) ao amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) Ravelonarivo Ando.Ireo sakafo na akora izay nampiasaina mampiahiahy dia hanaovana fanadihadiana avokoa, raha araka ny fantatra. Raha sanatria sakafo simba na lany daty na nampiasaina nafangaro tsy tam-piheverana dia mety hiteraka fahavoazana ho an’ny mpanjifa ka miroso avy hatrany amin’ny fanagiazana na “saisie” ny Fanjakana. Na izany aza, ny heloka ara-barotra izay niteraka fahafatesana dia miditra avy hatrany eny amin’ny fitsarana ary ny fanadihadiana lalina no hamaritra ny tohiny, hoy ihany ny DPC. Mifanolo-tanana ny departemanta ministerialy voakasika rehetra amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana, raha araka ny vaovao azo hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Efa mandeha tahaka izao ny fitsirihana ! Sarin’ny Ministera
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap