airtel

Actualités

23-août-2023

Minisiteran’ny vola

Misy afera hafahafa indray…

Sample post image

Nisy omaly ny serasera hafahafa sy tsy mazava navoakan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola omaly 22 aogositra efa madiva ho alina.

23-août-2023

Ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia mampahafantatra ny rehetra fa misy fanadihadiana ara-pitsarana mandeha amin'izao fotoana izao, fanadihadiana izay tsy tarihan'ny eto anivon'ny Minisitera. Nisy ny fisavàna ny tranon'ny voapanga, ka nahitàna fitomboka hosoka maromaro, ka anisan’ny hita tao ny fitomboka hosoka amin'ny anaran'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (cachet rond) sy amin'ny anaran'i RAHARINIRINARISON Rindra Hasimbelo, izay anarana ahitana fahadisoana. Noho izany, ny Minisitera sy ny Minisitry ny toekarena sy ny fitanatanam-bola dia miala tanteraka amin’ny andraikitra izay mifampiditra amin’io raharaha hosoka sy fampiasana hosoka io, na koa mahakasika ireo antontan-taratasy tsy voarakitra amin’ny fomba ofisialy anivon’ireo toeram-piasan’ny Minisitera ka ahitana ireo fitombokase hosoka ireo. Efa mandeha ihany koa ny dingana ara-pitsarana mahakasika izany.” , hoy io serasera io. Tsy fantatra loatra hoe: iza no voapanga na inona no niampangana azy, fa nambara ho nahitana fitombokase hosoka. Nisy fisolokiana avo lenta nandeha ve tany ho any sa misy dosie goavana na “scandale” an-dàlana hipoaka ka ny an’ny Fanjakana no nataony tonga aloha? Vao miresaka minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, dia volam-panjakana izay no resaka, izany hoe: zavatra tena stratejika be. Andrasana ny tohiny sy ny tena marina momba ity raharaha ity.
Toky R
Sary fanehoana


 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap