airtel

Actualités

30-nov-2022

Actualités

Minisitra Andry Ramaroson Mipongatra ny zava-doza sy dosie maloto…

Sample post image

Mipongatra ny dosie momba ny raharaham-pitantanana ny Jirama sy ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo.

30-nov-2022

 Taorian’ny fitoriana natao tamin’ireo mpitantana ny Jirama manodidina ny 40 izay voalaza hatreto fa ny Minisitra no nanao ny fitoriana, ka niakaran’izy ireo teny amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ny alatsinainy teo, ary naharitra hatrany amin’ny 17 ora ny fakana am-bavany, ary nisian’ny fidoboan’ny Tale miisa 3 any am-ponja sy ny didy fampikarohana an’ireo 3 hafa tsy nipoitra, dia nirefotra ihany koa ny dosie maloto mahasaringotra ny Minisitra Andry Ramaroson. Mampalahelo, Dr Mami Talen’ny Centre Médicale Sociale an’ny Jirama tena olona tsy mangalatra no isan’ny tafiditra ao anatiny satria misy olona te hanolo ny toerany, resaka fialonana, hoy ny fanehoan-kevitra avy ao anatin’ny Jirama. Ny fitsarana moa no manana ny fahefana hanameloka na hanafaka olona iray. “Milalao zavatra ratsy be, misy taratasy tahaka ny Tozzy Green, misy fifanarahana 20 isa any ho any izay tsy eken’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana satria fatiantoka ho an’ny Jirama, fa misy tombotsoa manokana mankany amin’izy ireo miaraka amin’ny olona ambony ao amin’ny Jirama izay miray tsikombakomba. Ilay Tozzy Green nahazoany 1 tapitrisa dolara, izay tsy hita hoe: aiza ilay vola kanefa ilay Tale Jeneraly nanaiky nanao sonia”, hoy ny loharanom-baovao avy ao anatin’ny Jirama. Nisy fotoana tra-doza tamin’ny fiara ny Tale Jeneraly mpisolo toerana, izay ahiana ho nokasaina hovonoina an-kolaka, hoy ny fanamarihana. “Tsy manaiky ny fifanarahana hafahafa hatrany amin’ny 20 ireo Tale, ka io hoe horaisina io ny fitantanana mba hahafahana manao ilay sonia. Hatramin’ny Talen’ny serasera Jirama aza voarahon’ny minisitra hoe: hogadraiko daholo ianareo fa izaho izao no mitondra ny baolina. Mety tsy zakany ilay toerana, ratsy ilay olona eo akaikiny, jereo ny “publication” an’I Andry Goly fa betsaka no miteny hoe: tsy mety ny ataon’ialahy”, hoy hatrany ny fanamarihana. Voalazan’ity loharanom-baovao azo antoka ity fa misy, ohatra, fifanarahana 4 dolara amin’ny mpiara-miombon’antoka lasa 14 dolara, dia mankany aminy izany ny 10 dolara, ny jirama tsy tokony hanafatra solika fa dia lasa miodina any Galana sy Jovena avy lasa amidy lafo any amin’ny Jirama,…
FIARA MITENTINA 324 TAPITRISA ARIARY
Nisy tao amin’ny Tale ao amin’ny Jirama mahazo fiara, kaonty taloha tao anatin’ny Orinasa, misy ampahany alohan’ny Jirama, ary misy ampahany alohan’ilay tale, ary afaka 3 taona lasan’ilay olona. “Tsy nanaiky ihany koa ny Minisitra, fa tonga dia naka Nissan patrol V6 tsy nandoa vola na Ariary aza, kanefa ireo Tale izay fiara iva lenta noho io aza mbola vitsy ny nahazo”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Raha ny taratasy mitondra ny datin’ny 18 septambra 2021 kosa, nisy ny fifanarahana teo amin’ny Jirama sy Minisitra Andry Ramaroson, ka volabe 9 tapitrisa isam- bolana mandritra ny 36 volana no voalaza fa aloany amin’ny Jirama handoavana ny volan'ny Fiara ampiasain'ny minisitry ny angovo. Manome 324 tapitrisa Ar izany ny vidin’ilay fiara, raha atao ny kajikajy. Raha mahafeno 36 volana izy dia lasany amin'ny vidiny 1 Ariary ny fiara, raha miala mialohan'izay kosa dia misafidy izy na hanohy ny fandoavana ilay 9 tapitrisa isam- bolana na hamerina ny fiara amin’ny Jirama, hoy ny voalazan’io fifaranarahana io. Ao anatin’izao efa zava-misy manjo ny Jirama sy ny delestazy mampikolay vahoaka izao ve: dia mbola izany no endri-pitantanana tahaka izany? Tena hanarina sy handroba ny Jirama no tanjona? Mety masiatsiaka ny fomba fiteny, saingy efa tena fanilikana vahoaka ankitsirano izao raha mitombina tokoa? Anjarany ny mandiso raha tsy mitombina izany, fa raha ny ampamoaka maro aloha dia mamatotra sy mandetika ity minisitra ity. Inona no fanapahan-kevitra horaisin’ny Filoham-pirenena eo anatrehan’izao sa mbola hoboriboriana amin’ilay hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap