airtel

Actualités

14-sept-2021

Actualités

Minisitra Baomiavotse Raharinirina “Miaina anaty heloka ara-tontolo iainana isika”

Sample post image

Miaina anaty “criminalité environnementale” na heloka bevava ara-tontolo iainana isika amin’izao fotoana izao,

14-sept-2021

 raha ny nambaran’ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (MEDD) Baomiavotse Vahinala Raharinirina, omaly. Olona 600 no nalefa nidina tany Ankarafantsika RN4 teo anatrehan’ny firehetan’ny valan-javaboahary ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra ny fiovan'ny toetr’’andro, izay anton’ny afo maneran-tany amin’izao fotoana izao, dia ny fanaovana arina, ny fandiovana tanety hambolena, ny fandorana ny bozaka hiraofan’ny biby fiompy ary koa ny fifindra-monina amin’ireo faritra arovana no tena antony lehibe mahatonga ny afo eto amintsika, hoy ny Minisitra. Ny ekipan-dRamatoa Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena ho an’ny Faritanin’i Mahajanga, ny Governoran’i Boeny, ny Lehiben’ny Fileovana, ny Tonian’ny Fitsarana, ny Lehiben’ny Distrika Marovoay, ireo lehiben’ny mpitandro filaminana (tafika, zandary, polisy), ireo Talem-paritra rehetra ao Boeny, ny Mpianatra avy amin’ny Oniversiten’i Mahajanga, ny fokonolona no niara-mientana tamin’ny famonoana izany rehefa nahare ny antso nataon-dRamatoa Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Tale Iraisam-paritry ny Tontolo Iainana any Boeny sy Betsiboka. Omaly 13 septambra vao voafehy ny afo. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny velaran-tany may. Nitrangana doro tanety ihany koa tao amin’ny làlam-pirenena faha-4, PK 30 ny alahady 12 septambra. “Mafy dia mafy ny rivotra ary maina ihany koa ny tanety ka sarotra ny mifehy ny afo. Rantsan-kazo no ampiasaina, ary tsy ho vita intsony. Any an-dafy dia misy ny fitaovana avo lenta, ny angidim-by mpanondraka rano sy famonoana afo,… Tena mila manao fampiasam-bola amin’izany isika. Mitombo ny afo satria matanjaka be ny rivotra mahatratra 20 hatramin’ny 30km isan’ora raha ny tatitra voaray, maina be ihany koa ny tontolo izay mampandeha ny afo. Rehefa malefaka izany vao mety tena ho afaka hamaritra sy hanombana ny velaran-tany may”, hoy ny Minisitra. “Manao antso avo ny MEDD mba tsy avelantsika ho may ny rohivoahary kely sisa ananantsika fa andeha hiara-hientana amin’ny fiarovana azy ireny. Ho an’ny Taninjanaka”, hoy ny Minisitra.

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap