airtel

Actualités

21-nov-2022

Actualités

Minisitry ny angovo Hanala tena sa miandry hoesorina ?

Sample post image

Raha toa ka tsy hita tabilao hatreto ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama, dia miozongozona ihany koa ny toeran’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo noho ny olan’ny angovo sy ny delestazy. Mety hoesorina hatao “fusible” ity Minisitra ity, raha ny feo miainga.

21-nov-2022

Fampanantenana lava sy seho ivelany no betsaka fa ny vokatra tsy hita ihany. Mitanisa olana, mitady izay hamaharana sy hotapahan-doha, manao serasera,… izay no isan’ny manamarika ny Minisitry ny angovo sy ankoran’afo Andry Ramaroson. Vao ny 15% amin’ny Malagasy no misitraka herinaratra kanefa ny tolotra tsizarizary sy tsy voafehy. Mpampiasa vola iza no ho voasintona amin’izany? Azo sokajiana ho fampijabahana avy aminy ny nahatonga ny Filoham-pirenena niteny ny 10 janoary 2021 fa afaka 6 hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy. Heverina mantsy fa tsy hilaza an’ireny mihitsy ny Filoha raha tsy nahazo toky sy antoka tamin’ny tompon’andraikitra heverina ho mahafehy ilay tontolo. Nolazaina tany amin’ny fiandohan’ny taona fa misy mafia ao amin’ny Jirama, nambara indray vao haingana fa ny 70% amin’ny olan’ny Jirama dia ny tsy fahafehezan’ny teknisianina ny asany, ary 30% noho ny hasomparana. Ekena fa mba nety nisy delestazy tamin’ny andron’ireo fitondrana nifanesy saingy tamin’ity no zava-doza indrindra, raha ny hita hatramin’izay. Tsy arakaraka ny vava be natao hoe: nisy ny nampiesona nilaza hamaha ny delestazy ao anatin’ny telo volana fa isika hamokatra 400MW ao anatin’ny 5 taona, saingy tena hoe: propagandy ara-bakiteny. Matoa tsy tanteraka ireny, dia tsy nahatanteraka ny iraka na “mission” nampanaovina azy ny minisitra sy ny ekipany, ary tsy vao izao no tao amin’io departemanta io I Andry Ramaroson, fa efa Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny akoran’afo nialohan’ny naha minisitra azy. Serasera sisa no tena entina miatrika olana, fa raha haraovona dia toa efa tsy voafehiny intsony. “Ny Minisitra no tompon’andraikitra voalohany”, ka izy no tokony handinin-tena voalohany,… tsy tokony ho variana amin’ny “werawera””, hoy ny Filohan’ny vovonana sendikaly SSM tapa-bolana lasa izay. Na ny mpomba ny fitondrana aza efa misy mamoaka hoe: “…. Minisitry ny angovo tsy misy raha hay o! Tsy aleonao mametraka fialana fa esaky jiramaty izahay. Mipoerapoera fahatany avao nefa tsisy raha “paré”. Tsy mahefa koa izaho handoa faktioranao”. Efa manomboka mahery vaika ny fanehoan’ny olona fa leo delestazy, raha tarafina amin’ireny grevy fanakanan-dalana teny Itaosy sy Fenoarivo ireny. Ny filazana fa amin’ny 2027-2028 no hivahan’ny delestazy izay fampantenana vaovao satria hoe: amin’ireo no ho vita ilay toby famokarana samihafa, dia mbola ny Fanjakana teo aloha no tena angady nananana ireo tetikasa isan’ny heverina ho goavana dia I Sahofika izay hamokatra manodidina ny 200MW sy Volobe izay hamokatra 120MW. Na izany aza, tsy tetikasam-panjakana madiodio ireny, fa azo sokajiana ho avy amin’ny tsy miankina,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap