hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national»! Tsy resaka vola mihitsy no olan’ny fitondràm-panjakàna, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre. Na tsy manana na Ariary aza ianao, hoy izy, mitondra fanjakàna dia tsy manana olana ara-bola izany fa olana politika no mety anananao satria ny politika apetrakao izay mitsinjo ilay hoe «Gouverner c’est prévoir» na fijerena ny ampitso no atao hoe fitantanana no tokony hametrahanao sahady fa ho mora ho anao ny hamerina ny volan’olona na mpamatsy vola eo, halalaka ny mpamatsy vola eo. Raha misy mpampiasa vola tonga eo dia tokona hanana ny antsoina hoe «garantie d’investissement» na antoka hampahomby fampiasam-bola mazava tsara izy ahafahany maka tombony sy mamerina ny volany amin’izay fotoana izay. Ny politika apetrakao izany dia hoe na eo aza izany dia manana tombony lehibe amin’io koa ny firenena malagasy ary misitraka izany ny vahoaka ao. Tsy manana minisitry ny angovo isika satria be dia be ny angovo tsy voatrandraka sy tsy voakarakara eto Madagasikara. Ny fiarahan’ny angovo rehetra misy nefa no ahafahantsika mamaha ny olan’ny angovo eto Madagasikara fa tsy hoe resaka JIRAMA fotsiny. Tsy misy afa-tsy ny olana amin’ny fitantanana ny rano raha miresaka ny fifandraisan’ny olan’ny JIRAMA amin’ny famokarana isika. Tsy tantanantsika ny rano. Tsy fehezintsika! Io ranon’orana io dia mila fehezina sy tantanana satria io daholo no ahafahantsika manodina ny fampihariana rehetra. Ilaina ny orana sy rano amin’ny fambolena sy fiompiana. Ilaina izany amin’ny vatan’olombelona satria voalaza fa 60 hatramin’ny 80% amin’ny vatan’olombelona dia rano. Raha miresaka tohandrano na «barrage hydrolique» isika dia tsy maintsy tantanana ao ny rano satria raha mijery isika dia zava-poana ny fisian’izy ireny rehefa tsy voatantana ny rano. Manana tohadrano efa miasa isika. Manana masinina afaka mamokatra herinaratra. Ny olantsika dia hoe raha miditra amin’ny angovo azo avy amin’ny masoandro isika amin’io fatsakàna izany na «parc solaire» lehibe hananantsika resahina io dia resaka varotra izany. Ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro resahina eto Madagasikara dia angovo kely be dia be ary ny fanaovana izany tsy natao ahitàn’ny JIRAMA tombony fa ahatanterahan’ny asa maha asam-panjakàna ny ataon’ny JIRAMA. Rehefa manana angovo avy amin’ny masoandro ny tokantrano tsirairay na kely aza ny hery sy tanjak’izany dia manana ambiny be dia be isika amin’io tohadrano efa hananantsika io ahafahantsika manodina indostria, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny