airtel

Actualités

27-févr-2023

Actualités

Minisitry ny angovo vaovao Manamafy ny politikan’ny kizarazara ihany koa

Sample post image

Mijery ireo marefo ao amin'ny Faritra Amoron'i Mania ny fitondram-panjakana Rehefa avy tany amin'ny Distrikan'i Mananjary nitondra hazavana ho an'ireo mpiray tanindrazana niharam-boina noho ny fandalovan’ny rivodoza Freddy

27-févr-2023

niaraka tamin'ny Filoha Andry Rajoelina ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo dia nihazo ny Faritra Amoron'i Mania, hoy ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo ny faran’ny herinandro teo. “Lampe cobra” miisa 70 ho an'ny distrikan'Ambositra, 40 ho an'ny distrikan'i Fandriana” no nozaraina, ankoatra ny fanampiana hafa toy ny vary miisa 680 gony, tafo fanitso, voamaina avy amin’ny fitondrana. Ireo no fanampiana natolony ho an'ireo vahoaka marefo eto amin'ny Faritra. Nomarihna fa sady zanaky ny faritra Amoron'I Mania ny Andriamatoa Solo Andriamanampisoa no "Minisitra coach" manampy ny Ministry ny Harena Ankibon'ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier. Fanamby hanatanterahana ny velirano faharoa ny hanomezana hazavana ho an’ny daholobe, hoy ny fampanantenana. Etsy andaniny, isan’ny nanamarika iny faran’ny herinandro iny raha ny teto Antananarivo manokana ny fiverenan’ny delestazy naharitra indray. Naharitra ora maromaro, nisy hatramin’ny adin’ny 3 na adin’ny 4 izany tamin’ny faritra sasany teto an-dRenivohitra ny sabotsy lasa teo. Isan’ny hanaovana serasera mafy mihitsy ity fizarana jiro cobra ity, izay mbola mampametra-panontaniana hoe: izay ve no tena asan’ny minisitra sy ny minisitera na ekena aza fa zava-dehibe izany? Mbola fanontaniana hafa azo apetraka ny hoe: nanao ahoana marina ny resaka tsenambaro-panjakana mikasika ny fividianana azy ireny
? Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap