airtel

Actualités

24-mars-2023

Actualités

Minisitry ny filaminam-bahoaka « Olana teknika no nampiantona ny fanaovana pasipaoro »

Sample post image

Efa niverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy fanamboarana pasipaoro eo anivon'ny polisim-pirenena rehefa

24-mars-2023

nitsahatra kely nandritra ny iray volana sy tapany teo ho eo.Tonga nitsidika ny ivon-toerana fanamboarana izany tetsy Anosy ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Randrianarison Fanomezantsoa omaly Alakamisy 23 martsa. Nilaza ny Ministra nandritra izany fa "Passeport électronique" ny pasipaorontsika amin'izao ka ilay resaka vokatra électronique no nisy olana kely teo amin'ireo mpamokatra azy. Tsy isika eto Madagasikara ihany no misedra izany fa maneran-tany hoy izy. Noresahiny ihany koa fa noho ny ady any Rosia io no mahatonga izany. Misarika ny sain'ny malagasy rehetra Atoa Minisitra fa tsy izay rehetra tonga eo anivon'ny fanamboarana Passeport dia ho voaray avokoa noho ny fitaovana hampiasaina, izay "électronique" avokoa. "Donnée biométrique" mantsy no ao hoy izy ka mila atao milamina tsara satria milina no manonta azy. 200 isa isan’andro no vitan’ilay milina. 190.000 Ar kosa ny vola aloha izay tsy maintsy eny anivon’ny tahirim-bolam-panjakana irery ihany no handoavana azy. Ao anatin’ny 72 ora kosa no fotoana voafetra hahavitan’izany. Nanentana ireo mpanao pasipaoro koa Atoa Minisitra mba tsy ho tratran'ireny mpijirika eny ivelany ireny izay misy hatrany anaty tambajotran-tserasera Facebook. Miisa telo mantsy ireo efa voasambotra hatreto ary hiakatra fitsarana tsy ho ela.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fidinan’ny Minisitra tao amin’ny ivon-toerana fanamboarana pasipaoro etsy Anosy omaly
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap