airtel

Actualités

20-avril-2023

Actualités

Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Hanafaka an’I Paul Rafanoharana sy Philippe F.?

Sample post image

Niova ny fandaharam-potoan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsa Catherine Colonna, ka raha tokony ho amin’ny faran’ity volana ity dia mihemotra ho amin’ny 28-29 mai ho avy izao.

20-avril-2023

Hihaona amin’ny Filoham-pirenena Rajoelina izy mandritra ny diany. Tsy tena mbola mazava ny zavatra hifampiresahana, fa raha ny voalazan’ny fampahalalam-baovaon’ny Africa Intelligence omaly 18 aprily, dia isan’ny lohahevitra horesahany ny raharaha Apollo 21. Voalaza fa nanampoizina ny fifandraisan’I Paris sy Antananarivo mantsy io, ka voalaza fa takiana na angatahan’ny Frantsay ny famotsorana an’I Paul Rafanoharana sy Philippe François, izay nambara fa nikasa hanongam-panjakana sy hamono ny Filoha Rajoelina, ka nohelihana tamin’ny alalan’ny sazy henjana. Efa hatramin’ny volana febroary teo no voalaza fa niandrasan’ny Frantsay ny hamindrana azy ireo any France. Hanaiky ny mety ho tsindry ara-diplaomatika ve ny Fitondrana Rajoelina ka hisafidy fahafaham-baraka amin’ny Malagasy? Inona no mety ho tambiny raha ho tonga amin’izay? Ankoatra izay, voalaza fa hanolo-kevitra hisian’ny dinika any Paris mikasika ny Kaomisionina iraisana momba ireo Nos ifandraroritana ihany koa ny Frantsay. Ity raharaha ity izay toa mbola sarotsarotra ihany koa ny ady ho antsika. Ny fanontaniana manitikitika ny rehetra ihany koa dia ny hoe: hanao ahoana ny fihetsik’I Lafrantsa manoloana ny toe-draharaha ara-politika sy ara-pifidianana eto? Raha ny resaka diplaomasia aloha, dia tsy mbola fahita firy ny hoe: ambasadaoro nanao tatitry ny asa tao anatin’ny 3 volana nahatongavany raha tsy ny an-dry zareo eto. Somary hentitra amin’ny fomba firesany ny Frantsay, ka anisan’izany ny resaka demokrasia, fifidianana madio,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap