airtel

Actualités

01-juil-2025

Minisitry ny toekerana sy ny vola

« Tsy mihemotra ny TVA 20%, mila manoman-tsaina ny sehatra hafa »

Sample post image

Tsy vaovao io fa efa nisy an’io 20% io foana tany aloha, fa ny fitondrana no nanome

01-juil-2025

fanalefahana ara-ketra an’ilay sehatra, ka ny fanalefahana ara-ketra no nesorina tamin’ny LFI 2025 », hoy ny valin-kafatra sy fanazavana nentin’ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny toekarena sy vola momba ilay TVA (Taxe sur la Valeur Ajoutée) alaina amin’ny zana-bola amin’ny banky. Nolazaina fa rehefa tsy hita tsara ny elanelana tamin’ny fotoana nanasiana hetra sy fanalana hetra, kanefa tsy afaka niroso tamin’ny resaka vary dia tsy maintsy niditra tamin’io. Mbola mifampidinika ny fomba hampiharana azy, mbola tsy misy serasera ofisialy mikasika izany. Nanamafy kosa ity Minisitra ity fa tsy mihemotra: "Tsy azo atao ny miverin-dalàna amin’ny lalàna efa nolaniana fa mihatra amin’ny fotoana hampiharana ny lalàna fa tsy mihatra amin’ny tany aloha", hoy Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Nambara moa, fa fepetra apetraky ny FMI na ny Tahirimbola iraisam-pirenena no anton’ny fanapahan-kevitra fa tsy mainkina amin’ny Fanjakana Malagasy samirery. Misy fanadihadiana nataon’izy ireo fa betsaka loatra ny fandaniana ara-ketra na «dépense fiscale », ka ny eto Madagasikara dia betsaka loatra ny vola tsy miditra noho ny «incitation fiscale » (fanalefahana na fanafoanana ara-ketra) be dia be omentsika, izay efa manodidina ny 3% amin’ny harinkarena faobe eto. Nohamafisina fa tsy avy amin’ny Fanjakana Malagasy irery no nipoiran’ny fepetra, fa fangatahan’ny FMI (Tahirim-bola Iraisam-pirenena), izay manome tohana ara-teknika amin’ny rafitra hetra eto amin’ny firenena. Araka ny fanadihadiana nataon’ny FMI, be loatra ny vola tsy miditra amin’ny kitapombolam-panjakana noho ny "incitations fiscales" na fanalefahana ara-ketra, izay mahatratra 3% amin’ny harinkarena faobe. Tamin’ny taona 2024 dia nahatratra 2400 miliara Ar izany. Voatery hametra ny "dépenses fiscales" i Madagasikara, araka ny fepetra anatin’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit). Mikendry hanaisotra 280 miliara Ar isan-taona amin’ny fepetra fanalefahana ara-ketra ny fanjakana mandritra ny telo taona manaraka.
MILA MANALA 280 MILIARA AR ISAN-TAONA
Fanalefahana ara-ketra homena ny vary no tena betsaka amin’ilay « incitations fiscales » ka ny toromarika ny mpamatsy vola, dia ny hoe : raha te hanatsara ny fidiram-bola dia hakana haba ny vary. « Tsy afaka nanao an’izay, isaky ny mandray fanapahan-kevitra, mitady an’ilay « incitations fiscales » esorina ao anaty LFI dia mijery hoe : ito sa vary ? Tsy maintsy mijery ny lisitra hoe : iza ? », hoy ny fanazavana. « Isika no manapa-kevitra hoe : inona ilay 280 miliara Ar. Tokony hanoman-tsaina, fa isan-taona dia tsy maintsy hisy fanalana 280 miliara Ar », hoy hatrany ity Minisitra ity. Mbola betsaka mazava ho azy ny sehatra hafa mety hianjadian’ny toy izao fa tsy hijanona amin’ny findramam-bola amin’ny banky irery. Ny Mpamatsy vola mahazatra nolazaina tamin’ny 2018 fa tsy hampandroso na amin’ny 2060 aza no tsy maintsy arahana ny baikony na hahafaty ny Malagasy aza. Henjana ny famolosana vahoaka, fitrongisana ara-bola samihafa,… kanefa ny fitantanana tsy mahomby, ny fahantrana miha mahazo vahana, ny mpandraharaha no vonoina hanentsenana ny banga, ny kolikoly mitombo, laharam-pahamehana kisadasada,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap