alatsiniainy izay tsy maintsy nanontaniana ireo rehetra miditra ny faritra ny toerana misy ny biraon’ny polisy ary tsy ahafahana mitrandraka vaovao. Tsy fantatra mazava izay tena antony raha nambaran’ireo mpiandry varavarana fa fanatanterahana ny baiko midina no sisa ataon’izy ireo. Nahavarina ireo mpanao gazety izay tonga teny an-toerana ity fanakatonam-baravarana ho an’ny mpitandraka vaovao ity. Raha ny fantatra mantsy dia tao amin’ity birao ity no nanaovana ny famotorana ny filohan’ny sendikan’ny mpiasan’ny CNaPS . Noho io raharaha io no nahatonga ny mpanao gazety tonga hanangom-baovao sy hamantatra ny zava-misy. Tsy afaka nitady ny vaovao tao amin’ny biraon’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka eny Anosy anefa ny mpanao gazety ka voatery niverin-dalana. Varavarana mikatona sy misy polisy milanja basy no nivantanana . Mampanontany hoe inona no zava-misy hoe misi ifandraisany tamin’ny fanadihadiana ny filohan’ny sendikan’ny mpiasa CNaPS ve sa inona ?
Tolin
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny