airtel

Actualités

05-oct-2021

Actualités

Ministeran’ny serasera Lasa fitaovana hamoretana ny asa fanaovan-gazety

Sample post image

Eo ny olana eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, izay tafiditra ao anatiny ny Minisiteran’ny serasera noho ny fitsabahana amin’ny raharahan-tokantranon’ny holafitra sy ny tontolon’ny fanaovan-gazety amin’ny ankapobeny.

05-oct-2021

 Manomboka mampametra-panontaniana amin’izao fotoana izao hoe: inona tokoa moa izany no tena ilàna io Ministera io? Raha ny seraseran’ny Fanjakana amin’ny ankampobeny dia manana ny Talen’ny seraserany manokana ny fiadidian’ny Repoblika. Manana ny azy ny departemantam-panjakana isan-tsokajiny. Toa zary lasa rafitra natao hifehezana ny asa fanaovan-gazety ny Ministeran’ny serasera. Raha tarafina amin’ny zava-niseho tato anatin’ny herintaona, zary natao ho famoretana sy fanaovana antsojay amin’ny orinasan-tserasera sy ny mpanao gazety. Tao anatin’ny fihibohana dia ireny niaraha-nahita ireny ny fifehezana ny haino aman-jery tao anatin’ny “Réquisition d’office”. Izay orinasan-tserasera mety tsy afaka nandefa ny fandaharana avy amin’ny Fanjakana dia tratry ny fandrahonana na “lettre de mise en demeure” norahonana hosaziana sy hakatona ary isan’izany ny orinasan-tserasera iray vondrona amin’ny Tia Tanindrazana. Moa ve mba marika fifanajana nataon’io Minisitra io sy ny departemanta iantsorohany taorian’ny fahataperan’ny hamehana dia samy vita eny fotsiny. Hitan’ny Ministera ny varavaran’ny haino aman-jery sokajiany ho mpanohitra rehefa handrahona sy handrangaranga sazy fa toy ny misy maloto ny tokanana rehefa amina zavatra, indrindra moa fa tombotsoa iraisana. Na ireny lalàna momba ny serasera nitetezana orinasa fanaovan-gazety aza nasiana fanavankavahana ny orinasan-gazety notsidihina. Nisy ny antsojay tamin’ny endriny samihafa nahazo ny mpanao gazety na avy amin’ny orinasan-tserasera sokajiana ho mpanohana Fanjakana io na ny avy amin’ireo tondroina ho mpanohitra fa moa mba nijoro sy niaro ny Ministera? Ny OJM hatrany no nijoro sy nanetsika ny mpanao gazety nentina nanehoana firaisan-kiana fa hatreto izany Ministeran’ny serasera izany dia sanatriavin’ny vava natao ho rafitra hifehezana sy hampiasana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety amin’ny kajikajy politika. Zary lasa misalovana sy misisika amin’ny raharahan-tokantranon’ny mpanao gazety, hany ka zary asa miteraka savorovoro sy fisaraham-bazana. Mbola adihevitra hafa sy tena azo lazaina ho sadasada ny nanapahana ny haino aman-jery tsy miankina iray haneha amin’ny « bouquet canal satellite » tsy ho hitan’ny any amin’ny faritra. Nolazaina fa nandika lalàna ka lojika ve hoe : fanapahana tsy ho hitan’ny any amin’ny faritra no vahaolana sazy fa ny eto an-drenivohitra tsy olana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap