airtel

Actualités

06-oct-2022

Actualités

Mirehitra indray Gasikara Ny olona maditra, vola sy fitaovana vao angatahina

Sample post image

Mirehitra indray ny firenena! Manomboka rakotra afo izay rehetra aleha, izay sarotra ny fifehezana azy noho ny tsy fahampiana ara-pitaovana.

06-oct-2022

Tao anatin’ny 13 andro izay no nirehitra ny Baie de Bali any Soalala, hany ka faritra arovana an’arivony hekitara maro hotohoton’ny afo, kila forehitra ireo biby sy zava-maniry tsy manam-paharoa tahaka ny gidro, sokatra,… na nisy aza ny fihezahana naka sy namindra izay azo navotana. Mihampatrapatra ny fatin’ireo biby mampiavaka an’I Madagasikara. Tonga nanampy tamin'ny famonoana ny afo ny mpitandro filaminana tany an-toerana ankoatra ny avy amin’ny Madagascar National Parks sy ny mponina izay tsy dia misy fitaovana firy. Nirehitra nanomboka ny 02 oktobra ihany koa ny faritra arovana Zombitse Vohibasia (Atsimo Andrefana RN7). 80 ha raha kely ny ala efa levon'ny afo vokatry ny doro ala izay voalaza fa nisy ninia nanao tamin'ity herin'andro ity. Misy aro afo 8-12m miaro ny ala amin’ny afo avy any ivelany, fa tamin'ity indray mitoraka ity dia afo nisy nandrehitra tao anatin’ny faritra arovana. Mafy ny ady noho ny tsy fahampian’ny fitaovana eo ihany koa ny halaviran’ny rano. Misy afo ihany koa ny faritr’alan’Ambalabe nanomboka ny 04 oktobra 2022. Manodidina ny 12ha ny faritra may ary lohan’afo 03 no tsikaritra ho nitarika izany. Niara-nientana ny fokonolona tao Andralamengoky notarihin'ny Cantonnement forestier n'i Sakaraha ary ny eo anivon’ny OMC (Organe Mixte de Conception) Sakaraha izay tarihin'ny sy ny Chef District. Any amin’ny tapany atsinanan’ny Nosy ihany koa, manomboka misy ny firehetana,… Eo ny hafanana izay mahamora mampirehitra ny tanety, fa ny tena zava-misy ihany koa dia ny fandorana iniana atao noho ny antony maro, raha tsy hilaza afatsy ny resaka tavy, fandorana tanety hanirian’ny ahitra hiraofan’ny omby, hetraketraka ankitsirano,… Ny faharipahan’ny ala noho ny fanaovana saribao, izay isan’ny angovo ampiasain’ny 90% amin’ny Malagasy mbola ady mafy ho antsika.
TSY AMPY NY FAMPITAOVANA
Olana goavana etsy andaniny ny fampitaovana hoenti-mifehy ny afo, hany ka manao izay ho afaka araka ny zava-misy eo am-pelantanana aza tsy mahovoka firy. Sao sanatria aseho mihitsy ihany koa ireny mba hahataitra ny mpamatsy vola hamoaka ny tahiry maitso ho an’ny tontolo iainana na “Fonds vert”, izay isan’ireo dinihina mandritra ny fihaonana savaranonando na PRECOP27 any Kinshasa RD Congo nifarana omaly 5 oktobra, ka isan’ny nandray anjara ny Minisitry ny tontolo iainana. Dinika mialohan’ny fihaonambe momba ny fiovaovan’ny toetr’andro na COP 27 hatao any Egypte amin’ny volana novambra izao. Miharihary mantsy ankehitriny, fa tsy ampy vola, tsy ampy fitaovana, tsy misy politika mazava,… izay ilàna famatsiam-bola, ary mivoy ny tokony hamoahana ny vola ny Fitondrana any amin’ireny fivoriam-be iraisam-pirenena ireny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap