mikasika ny famonoana an-dRaniriarivony Narindraniaina na Rasazy Narindra. Any Tsiafahy ny lehilahy ary eny Antanimora ny vehivavy. Nisy hafatra miafina maro natao fanadihadiana, ka nahafahana mamantatra olona maro ahiana sy voarohirohy amin’ity raharaha ity, raha ny fanamarihana. Anisan’ireo nidoboka am-ponja any Tsiafahy Ratianarivony Aina Tsitohaina, andahin’ny maty. Nisy moa ny fandaharana manokana nataony tamina fampahalalam-baovao an’habaka iray ny faran’ny herinandro teo ka nilazany hoe: « vono olona feno habibiana, tsy famonoana tsotra, zavatra efa nomanina, ary ireo olona ireo efa tao an-tampon-tanety tao foana niandry anay nandritra ny fotoana nahalanian-dRanabavy hatramin’ny famonoana azy. Tsy nisaro-tava, hitanao niserana fa tsy ho tadidy mihitsy,… Tifitra voalohany no nahavoa ny anabaviko, tsy nisy afaka nanavotako azo. Tena misy ny basy any aminay «calibre 12 », basy tena natokana ho an’ny sivily,… », hoy i Tsito. Nambarany fa efa lehibe tamin’iny toerana iny izy, zatra an’iny lalana iny, betsaka ny fanakanana, fa tsy mbola nisy tahaka an’iny, efa zatra mandeha moto taingin-droa amin’iny ranabavy, hoy izy. Nambarany fa sendra dahalo fa ny vola ihany no nalaina, fa ity tena famonoana. «Nisy namendrofendro tao amin’ny facebook hoe sao io anadahiny io, fa izaho tsy namaly, « touché » be aho hoe : misy olona ve sahy hamono ny anabaviny tokana izany. Iny tokana, voninkazo tokana taminay telo mianadahy, ary tsy safidiny ny ho ben’ny tanàna teo, fa safidinay telo miandahy, izahay no niaraka nivory niteny hoe : andao ianao no atao solon’i dada eo. Nilaza tsy nanam-pikasana izy, ny zokin’izy miandahy no nanam-pikasana, fa nisy resaka nisafotofoto kely, ka i Rasazy Narindra no nalefa », hoy hatrany i Tsito. Amin’ny maha vehivavy azy, dia nisafidy an’i Tsitohaina ho mpanolotsaina. Nilaza fa vonona hitondra an'i Mangataboahangy i Ratianarivony Tsitohaina izay lanin'ny fianakaviana ho harotsaka ho Ben'ny Tanàna.
TSY MARINA MPAMONO OLONA NY ZANAKO, HOY NY RENIN’IZY IREO
« Tsy marina mihitsy ny filazana fa anisan’ireo nahavanon-doza namono nahafaty an-dRasazy Narindra i Tsito. Ny porofo izay entiko, dia zanako izy 3 mianadahy ireo, ary fianankaviana mifankatia sy mifanohana izahay. Isaky ny misy zavatra atao dia mikaondoha miara-miasa ireo zanako ireo. Porofon’izany ny nametrahan-dRasazy Narindra ho lohalisitra an’i Tsito tamin’ny mpanolotsaina tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna », hoy Rtoa Helisoa Rakotomavo Margueritte renin’izy ireo. Nahintsiny ihany koa fa aretina no nahafaty ny Rain-dry Rasazy Narindra ny taona 2021. « Betsaka ny milaza vaovao tena manimba fo sy tsy marina. Eo ny filazana fa te haka fahefana i Tsito amin’ny nahafaty an-dRasazy Narindra kanefa tena voaporofo fa tena mila fampandrosoana i Mangataboahangy, tamin’i Maire Tina no efa naneho fitokisana ny vahoaka, ka notohizany tamin-dRasazy Narindra sy Tsito tamin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa toy ny hopitaly, sekoly,… », hoy hatrany fanazavany. « Efa maty novonoina tamin’ny basy ny zanako iray, dia izao samborina sy nalefa any Tsiafahy ihany koa ny zanako iray, ka mba jereo hoy ity renim-pianankaviana ity niantefa tamin’ny Filoham-pirenena. Mba niezaka nampianatra azy ireo aho, kanefa dia faty sy gadra no mahazo azy ireo », hoy hatrany ny renin’itompokovavy Rasazy Narindra sy Tsitohaina. Takian’ny fianankaviana ihany koa ny hamoahana ny anarana sy ny sarin’ireo voarohirohy fa tsy i Tsito ihany no ankalazaina, araka ny fanamafisana nataon’i Aina Nisaina mpiray tampo amin’izy ireo. Mangataka ny hamoahana an’i Tsito noho izany ireo fianankaviana.
MIVOAKA ENY AM-PELANTANAN’NY MPITONDRA NY TSIAMBARATELON’NY FITSARANA ?
Andrasana ny tatitra sy fanazavana ofisialy ataon’ny manam-pahefana mikasika ity raharaha ity. Manaitra ihany mantsy ohatra ny fahitana serasera nataon’i Toavina Rabe, olona mpiara-misaika ao anatin’ny Fitondrana ankehitriny izay nilaza hoe : « Meloka tena meloka izy (Tsito) ary niaiky teo alohan’ny fitsarana omaly. Manameloka azy koa ny « correspondance » rehetra nifanaovany tamin’ny olona maro mpamono sy « complice ». Miala tsiny amin’ny fianankaviany ! Havany ianareo, hanontanio izy e ? Sady havanareo i Tsito no havanareo koa i Rasazy izay maty. Aza faly fotsiny hoe : hanadio sy hanavotra an’i Tsito satria velona izy fa mba aza avela ho very maina ny aina nafoin’i Rasazy zanakareo koa. Sa ve hoe efa maty izy dia havotana ny velona ? ». Miporitsaka ve izany ny tsiambaratelon’ny Fitsarana ka ny mpikirakira facebook akaiky ny fitondrana no mahazo vaovao sy didy mialohan’ny tompon-draharaha ? Fa fampanoavana no natao sa efa fitsarana ? Misy finiavana hampisafotofoto ity raharaha mba tsy hivoahan’ny tena marina ? Andrasana ny tohiny !
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny