Nisakafo tamin’ny toeram-pisakafoana iray teny Alarobia izy, raha ny fampitam-baovao voaray, no nianjera. Sendra niantso azy ny namana mpiara-miasa no olona hafa no nandray ny finday sy niteny hoe nitsirara ato ity olona ity. Nandeha nijery azy haingana ny fiara tato am-piasana, hoy hatrany ny fitantaran’ny mpiara-miasa aminy. Nentina tany amin’ny mpitsabo saingy tsy efa namana intsony. Teraka ny 14 desambra 1989 ny tovolahy, izany hoe tokony nandia ny faha 34 taonany tamin’ity taona ity no izao folaka an-datony izao. Nanomboka ny taona 2012 ka hatramin’iny omaly iny izy dia mpanao gazetin’ny Viva hatrany fa tsy mbola tany an-kafa mihitsy. Namana tia sangisangy sy tsikitsiky no nahalalan’ireo niara-niriaria taminy. Namela mpitondra tena sy zanaka vavy kely iray moa Itompokolahy. Mankahery sy mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira