May hotohotohon'ny afo hatrany amin'ny 90% ny tsena Bazary Kely Toamasina. Nisy firehetana ny alahady hifoha omaly alatsinainy, tokony ho tamin'ny 10 ora sy sasany alina, ka niitatra nandravarava ny tsena maro ny afo. Enjana ny fifehezana ny loza na nifanome tanana tamin'ny famonoana ny afo aza ny fokonolona sy mpamonjy voina. Olona iray voalaza fa mpiandry tsena no fantatra fa may kila forehitra tsy nisy nahalalana azy intsony. Saika potika tsy nisy noraisina ireo entana samihafa. Tonga teny an-toerana ihany koa ny Ben'ny Tanāna Alain Andriafanomezantsoa nijery ny zava-misy. Haingana ny firehetana. 8 minitra taorian’izay no tonga ny mpamonjy voina, saingy tsy tazona ny afo noho ny fitsokan’ny rivotra, raha ny fanazavana. Hatreto, mbola tsy fantatra ny antony nahatonga ny fahamaizana, ary hanokafana fanadihadiana ny momba an’izany, raha any fanazavana hatrany. Isan'ny olana ho an'i Toamasina iraisana amin'ny tanan-dehibe eran'ny Nosy ny tsy fisian'ireny fantsona sy vavarano na "bouche d'incendie", ny fahasarotan’ny famonjena noho ny fanajariana ny tanàna tsy araka ny tokony ho izy,...Nampananosarotra ny famonoana ny afo ihany koa ny toerana nisy ny firehetana izay somary anaty tsena kokoa, hoy ny ben’ny tanàna. Tsy maintsy niantso fanampiana avy amin’ny SPAT sy Ambatovy ny mpamonjy voina noho izany. Nanamafy ny depiote Roland Ratsiraka fa ny tsy fisian’ny lalana fidirana ahafahan’ny kamiao mpamono afo miditra sy mihetsika tsara no nanasarotra ny asa famonoana afo, hoy ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina, Roland Ratsiraka. Nampiany fa manampy trotraka ihany koa ny tsy fahampian’ny "bouche d'incendie", akaikin’ny tsena. Nanamarika izy fa “tsy vao voalohany” no may ity tsena malaza ao Toamasina ity. Notsiahiviny fa efa nisy tranga telo na efatra tany aloha. Ny farany indrindra dia nitranga tamin’ny volana aprily 2025, vao herintaona mahery lasa izay, ary niteraka voka-dratsy lehibe. Tsara ny mampahatsiahy fa ny taona 2019 dia efa nisy fahavoazana goavana mitovitovy amin'izao ny Bazar kely ao Toamasina ary izao tojo firehetana goavana mitovitovy amin'izao, ary io mbola lasibatra io indray.Manodidina ireo 3500 ny tra-boina tamin’ity, raha ny antontan’isan’ny Ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain. Nisy fifampiresahana tamin’ny mpivarotra nijerena ny laharam-pahamehana hamonjena azy ireo. Efa nisy ihany koa vary 10 taonina, menaka 12 baoritra ary savony 9 baoritra avy amin’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy tandindon-doza (BNGRC) sy ny SPAT (Société du Port à gestion Autonome de Toamasina) ho vonjy rano vaky.
LOZA SESILANY
Lasa manome sary indray ihany koa ny zava-misy fa tsy mety tafarina sy lasibatra hatrany ity tanan-dehibe ity. Vao avy rotiky ny rivodoza nitondra fahapotehana hatrany amin'ny 80-90%, misy fifanolanana ara-tany eo amin'ny mponina maro sy ny orinasam-panjakana, mbola anisan'ny tanan-dehibe nahitana tranga sy olona matin'ny Mpox maromaro, ary mbola izao lasibatry ny loza mahatsiravina misy lanjany sy akony ara-toekarena izao. Taorian’ny fanjavonana sy vono olona sesilany izay mbola misy fa somary nihena dia ny firehetana indray no manao ranolava ka asa na loza tsotra na sanatria iniana volena ? Asa na fifandrifian-javatra ihany na sanatria zavatra iniana atao sy volena noho ny antony politika na zavatra hafa ny hoe: nisy fahamaizana ny Tsenan'Anosibe teto Antananarivo herinandro lasa, dia may hotohotohon'ny afo ihany koa ny Bazar kely ao Toamasina, nisy fahamaizana goavana tany Ranomafana Brickaville, nirehitra koa tany Andranofeno Sud ?
Toky R