airtel

Actualités

04-mars-2024

Mitohy ny afera maloto ao amin’ny Jirama

Mpiasa 18 niakatra PAC, 3 nidoboka am-ponja

Sample post image

Mitohy ny afera maizina sy fitantanana hafahafa ao amin’ny Jirama.

04-mars-2024

Mpiasa miisa 18 indray no niakatra teny anivon’ny PAC (Pole Anti-corruption) ny faran’ny herinandro lasa teo, ka misy 3 nidoboka am-ponja, ary anisan’ireo ny mpikambana 1 anatin’ny filankevi-pitanana dia Atoa Rabetsara Lita izay avy amin’ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa izay notendrena tao amin’ny Jirama nanomboka ny septambra 2019. Ny iray mpandrindra ankampobeny any amin’ny Faritra, ary ny iray farany dia ny mpivarotra ny fitaovana. Resaka hosoka sy fampiasana hosoka tamin’ny fividianana « groupes électrogènes » ho an’ny Distrikan’I Manja sy Ambovombe no vesatra hanenjehana azy ireo. Voarohirohy ho nanodinkodina volam-volam-bahoaka, nanararao-pahefana, nanao kiantranoantrano, nanao hosoka sy fampiasana hosoka,… Marina fa mbola tsy misy ny didy raikitra mikasika ireo olona voarohirohy, fa na izany aza, dia manamafy fa manjaka ny afera sy fitantana tsy mahomby izay manampy trotraka ny fahafatesan’ny Jirama. Firifiry ireo afera maloto nandeha azy miteraka fantiantoka tsy roa aman-tany amin’ny Jirama izay efa tsy mahavelon-tena noho ny varotra fatiantoka ka bokan-trosa tanteraka. Tsiahivina foana, fa ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana dia mbola nanana tombom-barotra 64 miliara ny Jirama, fa amin’izao efa manodidina ny 2000 miliara na mahery ny fatiantoka. Raha ny voarakitry ny antontan-kevitra CFP (Cadre de Partenariat Pays) ifamatoran’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena ny 2022-2027 fotsiny izao, dia nahatratra 150 tapitrisa dolara na 604 miliara Ar eo ny fantiantoka ho an’ny taona 2022, raha ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena ny jona 2023. Eo amin’ny 500-1000 miliara isan-taona anefa ny tohana ara-bola mivantana avy amin’ny kitapombolam-panjakana mankao amin’ny Jirama, kanefa mbola iaraha-mahita ny tsy fanjariana, delestazy, rano tapaka mandavan-taona,… Raha tao anatin’ny 5 taona izany no natambatra ireo volabe ireo mety efa nahavitana toby mpihary herinaratra 2 na 3. Isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana, raha tsy hampahatsiahy an’ireto : ny jona 2021, vaky ny afera « prime » 1,031 miliara Ar, fizaram-bola nataon’ny mpiasa 30 mahery kely nahitana ny Tale Jeneraly teo aloha Vonjy Andriamanga, Tale Jeneraly teo aloha Rivo Radanielina, ny Tale kabinetra Onja Rasamimanana… izay namoahana didy fampikarohana ny desambra 2022, saingy tsy hita mandrak’androany, raha toa ka nisy Tale 3 tamin’ireo tompon’andraikitra 34 nohadihadiana no nalefa tany am-ponja. Ny novambra 2021, nandefa taratasy ho an'ny minisitry ny vola sy ny toekarena ny banky iraisam-pirenena mahakasika ny tsy fangaraharana eo amin'ny fitantanana ny JIRAMA tamin’ny tetikasa PAGOSE (Projet d'Amélioration de la Gouvernance et des Opérations dans le Secteur de l’électricité)", nitakiana ny famerenana ny vola mitentina 6,9 miliara Ar noho ny fitantanana tsy nazava. Ny volana jona 2022, vaky ihany koa ny dosie momba ny fikarakarana zaridaina izay nandaniana vola maherin’ny 1 miliara. Mbola nisy ihany koa ny afera fanodinkodinana solika,… Vokany, banky ropitra ny Jirama, mihena sady lafo ny famokarana, lasibatra ny mpandraharaha sy ny tontolon’ny indostria,…


Efa tany amin’ny may 2023 no nilazana fa nivoaka ny antso tolo-bidy iraisam-pirenena hitadiavana « Manager de redressement), izay ny fanjakana Malagasy sy ny Banky iraisam-pirenena no nambara fa miara-miasa amin'ireo dingana rehetra nikarohana ireo kandida."Cabinet de recrutement" iraisam-pirenena no nanao ny asa nanomboka ny volana aprily 2023.Nisy Malagasy sy Vahiny miisa 19 nametraka antontan-taratasy ka kandida 2 sisa tavela ary amin'ireo izany no hisafidianana, ka nambara ny jona 2023 fa hotendrena tsy ho ela. Mby aiza hatramin’izao sa asiana endrika fanadiovana kely aloha mba hanaovana pimaso amin’ny mpiara-miombon’antoka ka mahatonga itony fampidirana am-ponja nipoitra tampoka itony ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap