itakiana ny fanadiovana sy fanovana hatrany ifotony. Nanamafy ny fitakiana ny fialan'ny Ben'ny tanana TMH-IRAMAR Solofo Jocelyn Razafindrakoto sy ekipany ny vahoakan’i Manjakandriana noho kolikoky, fitakiana vola tamin’ ireo mpivarotra mitentina 300 000 Ariray avy kanefa ny tsena zara raha vita tsy tafiditra tao daholo ny mpivarotra. Tahaka izany ihany koa ny fanararaotana sy fakana vola amin'ny tantaha toy resaka bokin'omby efa tena tafahoatra,... Tsy misy intsony fifampiresahana azo atao fa miala sisa vahaolana, hoy ny vahoaka. "Mba nisy nianatra teto, mba misy avara-pianarana i Manjakandriana , tsy bado daholo ny vahoaka eto ka azo fitahana, ka na inon-kidona na inon-kitranga, raha mbola misy ny gaboraraka sy fanararaotana dia tsy maintsy hijoro hatramin'ny farany. Tsy atao tantely afa-drakotra i Manjakandriana satria eto no hiafarantsika mianakavy", hoy hatrany ny vahoaka. Takian'izy ireo ihany koa ny mangarahara amin'ny zavatra navelan'ny mpitantana tao satria hatramin'ny volan'ny Jirama aza ambaran'ny mponina fa tsy voalohan'ny kaominina kanefa ny fambotriana vahoaka nirarakopana. Tsy olona, hoy izy ireo, no olana fa ny fitantanana gaboraraka, ny fitiavan-tena sy famenoana paosy amin'ny alalan'ny fangalana vola amin'ny madinika izay vahoakan'i Manjakandriana ka tsy ekena intsony, fa miala i Solofo Jocelyn Razafindrakoto sy ny ekipany. Notsiahivin'ny vahoaka hatramin'ny fanilikilihana sy fizahozahoana ataon'ny ekipan'ny Ben'ny tanàna ka nahatonga ireo olom-pirenena hilaza hoe tsy anareo irery i Manjakandriana. Isan'ny niteraka fahasosorana tsy ho an'i Manjakandriana irery fa ny mpampiasa ny RN2 ihany koa ny fanapahan-kevitra fandrarana ireo taksibrosy tsy hijanona eo an-toerana. "I Manjakandriana dia mitety an'i Madagasikara tsy mba manisy manilikilika kanefa isika eto manilikilika ny hafa noho ny mpitantana manao antsojay nandrara ny fahafaha-mijanona eo. Ankoatra izay, hafatra nentin'izy ireo ho an'ny Fitondram-panjakana vaovao tarihin'ny Kolonely Michaël Randrianirina ihany koa moa ny hoe: "Tandremo! Tandremo, fa tsy maty voalabo an-kibo Rajoelina sy ny ekipany, tsy hipetrapetraka fotsiny fa hanao ny ataony, ka mila mailo, ary aorian'ny Fitondrana ny vahoakan'i Manjakandriana"
Toky R