airtel

Actualités

26-déc-2024

Mitohy ny trafika volamena goavana

53,73kg sarona, olona ambony iray karohana

Sample post image

Tsy mety tapitra ny trafikana volamena miainga avy eto Madagasikara, fa tena mbola mampiteny ny moana.

26-déc-2024

Volamena be 53,73 kg indray no sarona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny alatsinainy 23 desambra lasa teo, nokasaina havoaka an’i Madagasikara. Efa voasambotra ilay olona nikasa hitondra izany ary ny volamena kosa dia voalaza fa efa nogiazana ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, raha ny seraseram-panjakana. Taratasy hosoka no voalaza fa saika hitondrana ireo volamena ireo hivoaka an’i Madagasikara, ka ny fampiharana ny fomba fiasa vaovao amin'ny fanaraha-maso hentitra ny fivezivezena eny amin'ny seranam-piaramanidina no nahatratraran'ny fadintseranana sy ny mpitandro filaminana izany teti-dratsy izany, araka ny seraseran’ny governemanta tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny sady Minisitry ny serasera Rtoa MARA Volamiranty Donna. Mpiasam-panjakana iray avy ao amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny no voalaza fa tomponantoka tamin’ny fanomezan-dàlana hosoka saika namoahana ireo bolongam-bolamena ireo, ka namoahana taratasy fikarohana noho ny fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka amin’ ity raharaha ity i Soananata Fanambinana Julien Dersen, lehiben’ny sampandraharaha misahana ny Chancellerie Diplomatique. Rehefa nojerena ny taratasy dia taratasim-panjakana voasonia ara-dalàna, nosokajiana ho taratasy fahazoan-dàlana ara-dalàna mikasika fitondrana entana diplaomatika na «autorisation de port de valise diplomatique » ka toa mampiahiahy hoe : tratra ve dia navadika hoe : taratasy hosoka kanefa ny tompon’andraikitra mpanome no nanasonia azy ? Ilay olona nikasa hitondra ilay volamena kosa dia efa voatazona ary eo am-pelatananan'ny manampahefana hanaovana famotorana. Faran’ny taona tahaka izao ilay 73,5 kg tany Afrika Atsimo ny desambra 2021, ary tahaka izany koa ny 49kg tany amin’ny Nosy Kaomoro ny desambra 2022,... Na izany aza, inoana sy heverina fa ampahany ihany amin’ny trafika miainga eto amin’ny Firenena itony tratra itony, fa betsaka mety miporitsaka sy mandeha ho azy. Misy ireo olona tsy ampoizina ampisaina amin’izany ary efa betsaka ireo voatonona ho iraka ary nisy aza tratra ambodiomby tany aloha saingy toa nilamindamin-dratsy teny raha tsy hilaza afatsy olom-boafidy teo aloha vitsivitsy, olona akaiky olona sarona tany Nosy Be taona vitsy lasa izay, teratany vahiny nalaza mpanazatra ara-panatanjahantena voatonontonona ho irakiraka amin’ny trafika,… Ny mety fampiasana « valise diplomatique » tsy azo savaina mety tsy ferana intsony. Ny volamena tany anaty Biraona minisitera aza moa teto nivadika korotam-by. Andeha hotsiahivina hatrany fa ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty ny desambra 2022 dia namoaka fa nahatratra 4,5 taonina ny trafikana volamena antsokosoko ny 2018-2022. Ny 2,5 taonina tamin’io dia nandritra ny taona 2021 avokoa, kanefa nanomboka ny oktobra 2020 aza dia nisy ny didy nanatsahatra ny fanondranana volamena, ary efa taona vitsy taty aoriana vao nisokatra. Ny antontanisan’ny Département des Affaires économiques eo anivon’ny Firenena Mikambana namoaka dia namoaka fa 6,8 taonina ny volamena niondrana antsokosoko nakany Dubaï teo anelanelan’ny 2018-2023, ka 2,490 taonina ny 2021, teo amin’ny 515kg ny 2022,… Ampahany amin’ny tatitra ireny, fa ny azo hamehezana azy dia tena olom-bitsy no migalabona amin’ny harem-pirenena Malagasy, fa ampahany fotsiny itony sarona itony.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap