Raha 27 izany ny alahady teo, dia niampy 6 fanampiny izany hatramin’ny omaly tamin’ny 4ora sy sasany hariva. 20 kosa ireo mbola tsy hita popoka hatramin’izao. Na efa ela aza no tafavoaka any an-dranomasina ary heverina fa efa levona ilay rivodoza, dia mbola mitombo ireo takaitra navelany, raha tarafina amin’ny antontan’isa. Tafiakatra 90 870 ihany koa mantsy ny isan’ireo traboina, izay avy amin’ny tokantrano 20 980. Nahatratra 34 114 ny olona tao anatin’ny faritra miisa 7 tena lasibatra nafindra amin’ny toerana manokana miisa 115. Efa nisy 66 tamin’ireo “sites d’hébergement” no efa tsy misy traboina intsony na izany aza. Miisa 26 403 kosa ireo trano dibo-drano, raha toa 1073 no simba tao anatin’izany. Mikasika ny vola sy fanampiana samihafa navoaka avy amin’ny BNGRC sy ny sehatra saihafa miankina sy tsy miankina amin’ny Fanjakana mba hiatrehana ny fahavoazana kosa dia vola 2 934 000Ar, vary tsinjo (packs) 6 720, vary 216 380kg, voamaina 44 190kg, siramamy 410kg, menaka 4 353 tavoahangy, savony 47 baoritra,…
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny