airtel

Actualités

31-janv-2025

Mitombo ny mpanao gazety any am-ponja

Nadoboka eny Antanimora i Fernand Cello

Sample post image

Nidoboka am-ponja vonjimaika ao amin’ny Fonjan’Antanimora ny mpanao gazety Fernand Cello.

31-janv-2025

Nosamborina teny Anosizato ny alarobia alina tokony ho tamin’ny 9ora sy sasany alina raha ny resaka niparitaka, saingy tsy nisy ny tatitra ofisialy nataon’ny mpitandro filaminana mikasika izay. Voalaza niara-nobedainy taminy nandritra ny fisamborana ny vady aman-janany, raha ny resaka niely. Raha hiverenana, namoahana didy fampisamborana i Fernand Cello ny oktobra 2023, taorian’ny toromariky ny « Doyen des juges d’instruction » teo anivon’ny Fitsarana ambatonga voalohany teto Antananarivo. Nisy raharaha fitoriana azy noho ny filazam-baovao diso mikasika ny Filohan’ny Fitsarana avo Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), izay nanaovany fandisoam-baovao sy fifonana ampahibemaso. Tsy voasambotra anefa i Fernand Cello, ary hita sy nampiasa hatrany ny pejin-tserasera Facebook-ny, nizara vaovao samihafa,… Tena tsy hita tokoa ve no nisy azy tamin’ireny sa nisy antony hafa tsy nisamborana azy ? Nopehana rehefa sahy nijoro sy nanizingizina ny famoaham-baovao navoakany nolazaina fa tsaho mikasika ilay herisetra sy fanimbana fananan’olona nahazo ny « taxi » iray tetsy Ankadimbahoaka. Nisy mpitandro filaminana voatonontonona ho tompon’antoka tamin’ny herisetra sy fanimbana fananan’olona. Nandiso ny fisian’ilay tranga penjim-baovao iray izay mpanao gazety voalaza fa miasa amina rafitra na andrim-panjakana no mintantana azy, raha toa ka nanamarina izany i Fernand Cello izay nolazaina fa mpanely tsaho, saingy namoaka porofo sy fijoroana vavolombelona. Raikitra ny fifamelezana teny amin’ny tambajotran-tserasera. Iny no heverina fa nanetsehana ny dosie Fernand Cello efa tany amin’ny 2023. Ity farany izay misy resaka mivoaka fa efa saika hosamborina tamin’ny herinandro satria nialohan’izao dia efa nifamoivoy ny filazana sy fanenjehana azy hoe : mipetraka any an-tranona mpanao politika eo anivaon’ny fanoherana. Miresaka demokrasia ny Fanjakana, saingy betsaka aloha izany ireo mpanao gazety misesy any am-ponja izay misy amin’izy ireny no tena antony ara-politika no nanenjehana azy. Samy any Antanimora ankehitriny i Harry Laurent Rahajason (Rolly Mercia), Lôla Rasoamaharo (LDGI), Ndramitiana (Radio Feon'ny Vaovao Mahafaly Mandritsara), Fernand Cello.

MIZANA TSINDRIAN’ILA
Manenjika azy mafy ny olon’ny fitondrana, ka anisany ny Minisitra iray teo aloha izay naneho sy namoaka an’ireo raharaha samihafa voalaza fa nahasaringotra an’i Fernand Cello. Tsy hidirantsika ny hoe : marina sa diso i Fernand Cello saingy hita miharihary kosa ny mizana tsindrian’ila amin’ny fanenjehana sy fandraisana andraikitra, raha tsy hilaza fotsiny ny resaka famoahana vaovao diso sy fanalam-baraka. Rehefa mahakasika fitondrana, mihakazakazaka ny fanenjehana fa rehefa ny hafa tsy misy tohiny. Haingana dia haingana ny fisamborana sy fanagadrana an’i Stan’ley Ramarivelo ny septambra 2022 izay nolazaina fa nitantana pejy mpanompa fitondrana. Hatramin’izao anefa toa tsy nisy fitsarana !? Nisy fitoriana nataon’Atoa Marc Ravalomanana 4 na 5 taona lasa izay mikasika ny fisandohana ny anarany sy fampiasana ny soniany fa moa nisy tohiny ? Filoham-pirenena teo aloha anefa no resaka eto ! Nitory (plainte au parquet) ny pejin-tserasera Actus Mada ny kandida Filoham-pirenena Tahina Razafinjoelina tamin’ny resaka fanalam-baraka fa moa nisy akony ? Nitory tamin’ny resaka fanamboarana video notapatapahana na « vidéo monté » nentina nanimbana azy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ihany koa Atoa Tahina Razafinjoelina fa nisy tohiny ve ? Nitory ny Antoko HVM tamin’ilay olona efa maty lazaina ho mikononkonona fanonganam-panjakana fa noraharahiana ve ?
Toky R
Legende : Rolly Mercia sy Fernand Cello nandritra ny fanatrehana ny fiakaran’ny mpanao gazety Arphine Rahelisoa fampanoavana ny aprily 2020
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap