airtel

Actualités

03-févr-2026

Mitondra inona

ho antsika ny Vondrona Afrikanina?

Sample post image

Aorian'ny fifidianana filoha vao hiala tanteraka ny sazy….

03-févr-2026

Nisy ny fihaonana teo amin'ny ambasadaoro Mohamed Idriss Farah, iraka manokana avy amin’ny filohan’ny Komisiona Afrikana, nandritra ny fitsidihany an’i Kolonely Michaël Randrianirina, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara tao amin’ny fonenany etsy Ivandry ny alahady. Nivoitra nandritra izany fa ny Union Africaine (UA) ho voafafa ho azy avy hatrany ny sazy mihatra amin’i Madagasikara rehefa tanteraka ny fifidianana filoham-pirenena. Araka ny fanazavan’io ambasadaoro io, mbola voasazy i Madagasikara eo anivon’ity fikambanana kontinantaly ity, na dia efa nihena aza izany taorian’ny fandalovan’ny delegasiona Afrikana tamin’ny volana novambra. Tamin’izany fotoana izany, ny UA dia niantso ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena hanohana an'i Madagasikara. Na izany aza, tsy mbola afaka mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Filoha sy ny Governemanta kasaina hatao ny 12 febroary i Madagasikara. “Tianay raha afaka mandray anjara amin’ny fihaonambe i Madagasikara, saingy ilaina aloha ny fifidianana filoham-pirenena mba hiverenana amin’ny filaminana ara-dalàna,” hoy i Mohamed Idriss Farah. Ny UA dia manantena fa ho tanteraka amin’ny fiafaran’ny dingana tetezamita izay haharitra 24 volana ny fifidianana filoham-pirenena. Nambarany fa mandritra izany fotoana izany dia hanohana tanteraka an’i Madagasikara ny fikambanana. “Ny fanohanana ataon’ny Union Africaine dia feno. Raha tsy izany dia tsy ho eto izahay,” hoy hatrany ity ambasadaoro. Notsiahivin’i Mohamed Idriss Farah fa manana solontena manokana ny filohan’ny Komisiona ao Madagasikara, ary nanendry iraka manokana ihany koa. Tamin’ny volana novambra, delegasiona roa no tonga teto: ny an’ny iraka manokana sy ny Panel des Sages tarihin’ny filoha teo aloha avy any Burundi. “Madagasikara dia manana lanja lehibe, izany no antony maha akaiky anay azy,” hoy izy nanamafy. Ny hafatra mazava avy amin’ny Vondrona Afrikanina dia ny hoe: ny fifidianana filoham-pirenena no lakilen’ny fiverenana amin’ny filaminana ara-dalàna sy ny fanesorana ny sazy manohitra an’i Madagasikara. Mandritra ny dingana tetezamita, ny fikambanana kontinantaly dia manolo-tena hanohana sy hanara-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny Nosy. Na izany aza, ekena fa zava-dehibe ny fiarahantsika amin'ny Vondrona Iraisam-pirenena sy kaontinaly tahaka itony, kanefa betsaka ihany ny zavatra mampametra-panontaniana. Haingana ny fanasaziana rehefa nisy fiovam-pitondrana tsy tamin'ny alalan'ny fifidianana, resahana matetika ny dingana demokratika sy fifidianana,... Fa nahoana anefa no jamba sy nikipy ny Vondrona Afrikanina teo anatrehan'ny Fitondrana jadona namono vahoaka? Inona tokoa moa no tombotsoa mivaingana sy maha zava-dehibe ny maha mpikambana antsika amin'ny Vondrona Afrikanina izay efa hatrany amin'ny 1963? Tena mba nanohana antsika teo amin'ny ady ara-diplaomatika sy ara-jeopolitika toy ny raharaha Îles Éparses ve?
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

politika sy mpitondra ny mitandrina vava tsy ambina!»

Card image cap
06-févr-2026

amin'izao Fitondrana izao

Card image cap
06-févr-2026

ny famerenana ny tan-dalàna ny Maorisianina

Card image cap
06-févr-2026

noraisina ny masoivoho vaovao

Card image cap
06-févr-2026

Nampiana 1,82 tapitrisa hekitara ny faritra arovana vaovao

Card image cap