airtel

Actualités

25-oct-2024

Mitsio sy Sakatia no voaresaka androany

«Mety ho Madagasikara iraimanontolo no hamidin’ny fitondrana rahampitso»

Sample post image

Fantatra ankehitriny fa misy mpanam-bola vahiny hividy ny ampahany amin’ny nosy Mitsio ka

25-oct-2024

hanamboatra hotely lehibe ao, hoy ny antoko politika Otrikafo. Fitondrana maromaro nifandimby izay no voakasik’io resaka io, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny. Tamin’izany fotoana izany aza moa, hoy izy, efa nisy resaka mihitsy hoe misy mpilalao baolina kitra malaza izay nividy ny iray amin’ireo nosintsika any avaratr’i Madagasikara any. Mbola resahana ihany moa hoe hanaovana «complexe hôtelière» na hotely goavambe tamin’izany fotoana. Tsy gaga ny Otrikafo androany raha nifoha ilay resaka satria fifanarahana efa nataon’ny fitondram-panjakàna tamin’ireo mpanambola hanangana hotely ao izany dia mitohy ny resaka amin’izao fotoana izao. Ny nosy Mitsio no resahina fa fantatra hoe ny ankamaroan’ireo nosy kelintsika ireo dia efa lasan’ny teratany vahiny avokoa. Tafiditra amin’izany resaka izany izao ny nosy Sakatia saingy vitsy moa ny mpiresaka an’ilay izy, izay mahatonga ny mponina ao amin’ny nosy Sakatia koa nanangana ilay fikambanana antsoina hoe «Anjava Sakatia» izay hanohitra ny heritreritrana teratany vahiny atosikana mpitondra malagasy hividy ny tanin’izy ireo hanaovana hotely ao izay. Raha nampanao tsia ny fampandaniana ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 ny Otrikafo ny taona 2010 dia isan’ny antony iray nanaovanay «Tsia» dia satria ny andininy voalohany ao amin’io lalàmpanorenantsika io dia mametraka tsara ny hoe tsy azo amidy na atakalo ny tany eto amin’ny repoblikan’i Madagasikara fa azo atao kosa ny manao fifanarahana ara-barotra na «bail emphytéotique» mandritry ny 99 taona. Notoherinay izany satria efa mitovy amin’ny mivarotra ihany izany fifanarahana 99 taona izany. Ilay mpitondra ankehitriny rahateo moa no nampandany azy io dia firy taona aty aoriana izany isika vao mahatsapa ny maha zava-doza izany? Tena sarotiny amin’ny fiandrianam-pirenena ny Otrikafo. Tafiditra amin’izany ny resaka tany. Tsy tokony azo heritreretina mihitsy na dia iray segaondra aza izany famarotana ny tany eto Madagasikara amin’ny vahiny izany. Miantso ny mpiray tanindrazana, noho izany, hitsangana hanohitra ny fikasan’ny fitondram-panjakana handafo ny ampahany amin’ireo tanintsika satria ampahany amin’ny tanintsika ireo nosy eto Madagasikara ireo. Mitsio sy Sakatia no voaresaka androany. Mety ho Madagasikara iraimanontolo no hamidin’ny fitondrana rahampitso dia izay ve isika rehetra vao ho taitra, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

06-déc-2024

Nanentana manokana ny tanora izay maro an’isa eto amin’ny Firenena sy antoky ny ho avy mba tsy ho kivy ary

Card image cap
06-déc-2024

Nosembanin-drahona indray ny tontolon’ny fizahantany ! Nofoanana ny fiantsonan’ny sambo goavana na paquebot

Card image cap
05-déc-2024

Fantatra tsara ny fahorian’ny mponin’Andravoahangy syny manodidina noho ny rano be isaky ny avy ora.

Card image cap
05-déc-2024

Maro ireo mpanara-baovao no tsy nanampo fa mbola hisy rotsak’orana ihany teto Antananarivo renivohitra ny 3 desambra teo.

Card image cap
05-déc-2024

Hita tao anaty rano teny Namontana afak’omaly Talata 03 Desambra toerana nahaverezany ihany ny vatana

Card image cap
05-déc-2024

Ankizy miisa 200 no indray notolorana kopia mari-pahaterahana omaly Alarobia 04 Desambra tao amin’ny Kaominina

Card image cap