airtel

Actualités

12-sept-2023

Miverina indray ny delestazy

Nahatratra adin’ny 5 ny teny Itaosy omaly

Sample post image

Mbola tsy mety tapitra ihany ny delestazy mahazo ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina na dia mbola

12-sept-2023

mikasa ny hiverina eo amin’ny fitondrana ihany aza ny mpitondra teo aloha. Niaina izany nandritra ny ora 5 be izao ny mponin’Itaosy omaly. Nanomboka tamin’ny 02 ora sy sasany folakandro izany fahatapahana izany ary tsy niverina raha tsy tamin’ny 07 ora sy sasany alina. Tapitra nihitsoka avokoa vokatr’izany ny asa fivelomana mandeha amin’ny herinaratra rehetra. Anisan’ireny ny mpivarotra trondron-dranomasina, ireo mpanao volo, ny cybercafé, ny mpanamboatra kodiarana…Fa ny tena nampalahelo dia ny nijery ireo ankizy mpianatra vao manomboka ny taom-pianarana manao devoara amin’ny labozia. Sady reraka ny maso no sahirana ny saina noho ny tsy fahampian’ny hazavana tao an-tokantrano. Efa niomana ny hihetsika moa ireo mponin’Itaosy omaly hariva vao niverina ny jiro. Efa diso mankaleo ny olona rahateo ny hafitsoky ny JIRAMA. Ny faktiora tsy aterina, ny jiro mbola tapa-dava ihany nefa ny sarany midangana andro aman’alina.
Pati
Legende : Nandehabe ny tsenan-dabozia omaly teny Itaosy !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap