raha samy nieritreritra ny rehetra fa olana niserana ihany sisa ilay tamin’ny alarobia teo, hay nivadika ho tantara mitohy indray. Nanamafy indray ny Jirama omaly, fa misy fikorontanana ny famatsiana herinaratra eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo noho ny antony maromaro. Anisan’io ny fihenan'ny tosaky ny rano ao Andekaleka izay latsaka ambany tokoa raha mihoatra ny tamin'ny taona lasa. 31m3 isan-tsegondra izany amin'izao fotoana izao raha toa ka 46m3 isan-tsegondra tamin'ny volana jona 2022, fahataran'ny famatsiana solika mavesatra avy any Toamasina nohonny fahatapahan'ny fifamoivoizana teo Mandraka ny alarobia teo. Noho izany, voatery miroso amin'ny fahatapahan-jiro mifandimby eto amin'ny Tambazotra Iraisan'Antananarivo arak'izany ny Jirama amin'izao fotoana izao, hoy ny Jirama omaly, izay nanamarika fa ny fahatapahan-jiro dia misy fiantraikany ihany koa amin'ny famatsian-drano noho ireo tobim-pamokaran-drano sy foibe mpampiaka-tosika surpresseur miankina amin'ny herinaratra. Miverina amin’ny laoniny indray izany ny fahatapahan-jiro rehefa mba nisy tsirim-panantenana ny tsy fisiana fahatapahana be loatra tao anatin’ny herinandro teo ho eo. Ny ririnina misy foana isan-taona, ary tao anatin’izay herinandro mba tsy dia tapaka firy izay dia heverina fa tsy dia nisy fahasamihafana be ny tosiky ny rano. Afaka manome antoka ve izany ny Jirama fa hiverina amin’ny laoniny taorian’ny fiverenan’ny fifamoivoizana amin’ny laoniny sa dia seraseran’ny fialana bala sy fitadiavana izay hanilihana hatrany? Betsaka ny fantiantoky ny orinasa sy seha-pihariana maro mampiasa herinaratra. Maro ny orinasa miakatra ny fandaniana satria voatery mampiasa milina mpihary herinaratra manokana, ary izay tsy manana fahafahana amin’izany dia mihena ny famokarana. Ny faktiora etsy andaniny tena tsy misy fiovana, kanefa teo aloha teo dia nahatratra hatrany amin’ny 12 ora isan’andro ny fahatapahana. Efa karazana anjara birikin’ny vahoaka amin’ny fanarenana ny Jirama izany, kanefa mbola izao ihany. Mila miroso haingana amin’ny angovo azo havaozina ary tena mila asa fa tsy resaka ambony latabatra fotsiny ihany, toy ny 400MW mandritra ny 5 taona an’ingahy Andry Rajoelina.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny