Mampalahelo ny tranga misy eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao ! Tena hita hoe fanakorontanana no misy, fa ny mampalahelo amin’ilay izy dia ny tsy fifankahazoana ara-politika na ny ady seza amin’ny samy mpanao politika no anton’ny tranga mamoafady tahaka izao, dia ny vahoaka tsy manan-tsiny indray no mizaka ny afitsoky ny adilahy politika », hoy Atoa Mohamed Razafiberison, mpandinika sy mpanaraka ny fiainam-pirenena mikasika ny zava-miseho ankehitriny, indrindra ny tsy fandriampahalemana, fanjavonana zaza,... Naneho fahadisoam-panantenana tamin’ny fanambaran’i Praiminisitra lehiben’ny governemanta kosa ny tenany, raha nanipika fa tsy ireny no tena andrasan’ny vahoaka Malagasy. « Tsapa fa tsy mifanojo amin’ny zavatra tena nandrasan’ny vahoaka Malagasy amin’ny maha Praiminisitra lehiben’ny governemanta satria ny zavatra tena andrasan’ny vahoaka, dia karazana vahaolana : firy ireo lasibatra, toerana aiza daholo no tena misy ireo tranga, efa misy fanadihadiana mandeha ve ka raha misy dia efa misy tratra ve ? Firy ? Aiza daholo ? Tahaka izany ihany koa ny hoe : inona ny paikady entin’ny fitondram-panjakana hamongorana ireo tsimatahotody ary mba tsy hisian’ny tranga tahaka izao intsiny satria tena mampinorohoro ny sain’ny vahoaka Malagasy. Izay no tena zavatra nandrasana mba hanomezana antoka ny sain’ny vahoaka hiverina amin’ny filaminan-tsaina izay tena mikorontana amin’izao, raha ny nambarany. Nilaza hoy izy ny Praiminisitra fa izay manohitra ny fanavaozana dia faly amin’ny fahorian’ny vahoaka Malagasy, kanefa amin’ny maha Raiamandreny dia tokony hipetraka foana amin’ny firesaka mpampiombona na «rassembleur» izy. « Harena ny tsy fitovian-kevitra, tsy midika fa rehefa tsy mitovy hevitra na tsy resilahatra lohatra amin’ny fitondrana fanavaozana dia faly amin’ny fahorian’ny vahoaka Malagasy, tsia, tsy marina kosa angamba izany », hoy i Mohamed Razafiberison. Mety misy tokoa, hoy izy, ny olom-bitsy tsy faly amin’ny fanavaozana, fa kosa izay tsy mitovy hevitra na tsy resy lahatra loatra amin’ny fitondrana fanavaozana rehetra dia ho raisintsika ho faly amin’ny fahorian’ny vahoaka Malagasy. « Tadidio fa Raiamandreny ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, ary anisan’ny iraka napetraky ny Filoham-panjakana aminy ny hampitambatra ny vahoaka Malagasy ka tsara raha manao fiteny mampiombona ny Malagasy foana izy rehefa manao valandresaka tahaka ireny », hoy hatrany i Mohamed Razafiberison.
Toky R
Nihaona tamin'ny Filohan’ny Komisionina ny