Mandeha indray ny fomba sy ny tetika politika entina manozongozona ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Nisy ny faran'ny herinandro teo ny fanambarana nataona andiana tanora milaza fa Gen Z sy Y, mitaky fialan'ny governemanta ka nanome fe-potoana 72 ora. Naneho Atoa Mohamed Razafiberison isan'ireo tanora nandray anjara tamin'ny tolona ary mandinika ny raharaham-pirenena, fa raha vantany vao tonga teo ny Praiminisitra dia efa nanaovana fanakianana be dia hoe izao sy izao. Tonga ny 4 volana taty aoriana tsy misy miresaka mihitsy hoe manao ahoana ny tahan'ny sondro-bidim-piainana na "taux d'inflation" tao anatin'ny 4 na 5 volana monja mitaha amin'ny 16 taona nitondran-dRajoelina sy ny Praiminisitra tamin'izany efa ho 8 taona teo; ny sandam-bolantsika efa mahazo aina mitaha amin'ny vola vahiny ; ny vidin-tsolika mba mihena na misy aza ny krizy eran-tany; ny vidin'entana ilaina andavanandro voafehy na midina mihitsy ny sasany toy ny vidim-bary mampikolay isan-taona rehefa fahavaratra tahaka izao,... fa tsy mba resahin'ny Gen Z sy Y izany, hoy hatrany i Mohamed Razafiberison. Mbola resaka fahombiazan'ny Fanjakana sy ny governemanta ihany : niakatra 14,% ny karaman'ny mpiasam-panjakana kanefa tao anatin'ny 4 taona tsy nisy an'izany fa toa tsy resahin'ny Gen Z sy Y; nanome "prime" ho an'ny mpiasam-panjakana ; hampiakatra ny "indemnité de logement"; nampiakatra ny tambiny ho an'ny mpampianatra,... fa tsy mba niteny ny GEN Z sy Y, fa rehefa misy mpanao politika te hizara seza mampiteny dia miteny ny Gen Z sy Y. Nahitsy noho izany i Mohamed Razafiberison fa lasa tsy fanaovana politika ho an'ny Tanindrazana fa fanaovana politika ho an'ny fizarana seza, ka lasa atao fitaovana ny tanora. Tsy ny tanora eny Atsimondrano sy Avaradrano ihany, hoy izy, no antsoina hoe Gen Z eto Madagasikara, fa ny tanora erak'i Madagasikara, tsy eto Antananarivo irery. Notsiahiviny fa nalikalikain'ny olona noharina tamin'ny alika mihitsy ny Filohan'ny Fanavaozana Ray aman-drenin’ny Malagasy rehetra, fa tsy mba niteny ny GEN mba nanameloka izany nefa milaza fa saropiaroamin’i PRRM. Ity farany izay nanipika mihitsy fa nandritra ireny tolona ireny dia nisy ny fivoriana marobe niarahan'izy ireo tao anatin'ny Vondron'ny Sendika sy ny Fikambanana maro tamin'ny Gen Z fa na iray tamin'ireny miseho amin'ny fahitalavitra ireny tsy mba tazanay niaraka nandany rondoha nampahombiazana ny tolona, ary tena tsy misy fantatro raha tsy aty aorina atao fitaona politika izao.
TSARAO AMIN'NY HARIN-KARENA FA TSY KAJY POLITIKA
"Isan'ny mampalahelo anay mpitolona fa indrindra izahay tanora azo lazaina ho zanaky ny faritra hoe: ny harin-karenantsika ve no handrefesana ny governemanta sa ny toerana politika ho an'ny sasany satria raha tena ny harin-karenantsika no jerena dia 4 volana monja dia hitantsika fa tena mba misy zavatra ngeza, ny sandam-bolantsika tsy ohatran'ny taloha izay mihamidina fa mihatsara; ny PPN voatazona ary ny vary aza midina; ny mpiasam-panjakana voajery; ny intégration efa mandeha ; ny fandraisana mpiasam-panjakana efa mandeha,...", hoy hatrany i Mohamed Razafiberison. Maro, hoy izy, ny zavatra vita sy voalamin'ny Praiminisitra tao anatin'ny fotoana fohy, eny fa na ny famerenana ny fitokisan’ny mpamatsy vola sy fiaraha-miasa tamin'ny mpiara-miombon'antoka aza dia vita tao anatin'ny fotoana fohy raha toa ka 5 taona taorian'ny 2009 isika tsy nahita mangirana sy nolazain'ny vahiny fa "sans qualité" aza ny mpitondra tamin'izany. Na ny fiatrehana ny rivodoza sy ny fahavoazana aza tena nisy ny ezaka goavana nataon'ny Filoha sy ny Praiminisitra nitady lalana samihafa teto sy tany ivelany. Izany zavatra izany, dia mampalahelo raha tadiavina hofinganina sy potehina amin'ny kajikajy politika, hanaovana fitaovana ny Gen Z sy Y sasany hamingana,... ka lasa mivaona tanteraka fa ny mety angamba tokony hiditra amina antoko politika ry zareo dia manao politika fa tsy mijanona ho atao fitaovana sy lalaovina hitarihina midina ny Firenena noho ny kajikajin'olom-bitsy, hoy hatrany i Mohamed Razafiberison.
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»