Vao tamin’ny 17 Febroary teo ny farany tranga niseho tao amin'ny Fokontany Ambodigavo kaominina ambanivohitra Lakato. Zazavavy kely 8 sy 11 taona izy ireo izay voalaza fa iraitampo ary samy voaolana avokoa. Tamin’ny Alahady 26 febroary teo vao fantatra ilay tranga ka nentina niakatra namonjy toeram-pitsaboana tao amin'ny Hopitaliben'nyi Moramanga CHRD avy hatrany izy ireo ka efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Nahitana trangana fanolanana hafa ihany koa tao amin'ny Fokontany Tsaralalana kaominina ambonivohitr’i Moramanga. Zazavavy kely iray 14 taona indray no lasibatra tamin’izany. Manoloana ireo tranga ireo moa dia mijery akaiky izany ny sampan- draharaha miadidy ny mponina ao Moramanga sy ny tambazotra miaro ny ankizy ao anatin’ity distrika iray ity na ny RPE. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana avokoa moa ny raharaha raha noraisin’ny RPE, ny sampandraharahan’ny ministeran’ny mponina ary ny orinasa Ambatovy ny fandraisana an-tanana azy ireo.
Pati
Legende : Manaraka fitsaboana eto amin’ny CHRD Moramanga avokoa izy telo mirahavavy kely ireo !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny