airtel

Actualités

04-janv-2024

MOROMBE-RIVO-DOZA ALVARO

Ny tanimbary no tena lasibatra, olona 365 no tsy manan-kialofana

Sample post image

Saika ny tanimbary fiharian'ny mponina ao Morombe no lasibatry ny

04-janv-2024

ranobe navelan'ilay rivo-doza Alvaro tany an-toerana raha ny vaovao azo. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia ity distrika iray ity no nidiran’io rivo-doza io tamin’ny datin’ny 01 janoary lasa teo , izany hoe : ny voly mihintsy no dibo-drano. Ankoatra izay dia tafakatra hatrany amin’ny 60 % ny fahasimban'ny foto-drafitrasam-panjakana ankoatra ireo tranon’olon-tsotra. Fianakaviana maherin’ny 60 isa ahitana olona 365 isa kosa no fantatra fa traboina . Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana omaly Alarobia 03 Janoary ny tale jeneralin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ny Jeneraly ELACK Olivier Andriakaja niaraka tamin’ny PAM. Nisy ny fanolorana fanampiana voalohany ho vonjiranovaky ho an'ny mponina nandritra izany izay nahitana vary 1 taonina, miampy menaka 100litatra teo ihany koa ny lay misy ody moka avy amin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka miampy an'ireo fitaovana ilaina amin'ny andavanandro’ny mponina avy amin' ireo mpiara-miombon'antoka ,raha nanolotra bisikoitra misy otrikaina kosa ny avy amin’ny PAM. Efa tonga ao Morombe koa ireo moto pompe fanampin'ireo moto pompe izay efa nampiasaina nitrohana rano tamin'ny fandalovan'ny freddy farany teo. Marihina moa fa hanomboka anio Alakamisy ny fanadiovana ny tanàna izay hatao mandritra ny 5 andro ka ny BNGRC ihany no handray an-tanana ny lany amin'izany. Efa misy kosa ireo fitaovana toy ny tronçonneuse sy ny hafa hahafahana manatanteraka ny asa. Pati
Legende : Nandritra ny fandalovan’ny tale jeneralin’ny BNGRC tany an-toerana omaly !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap