Tezitra mafy ity tovolahy ity raha araka ny fanazavana azo rehefa notaomin-dReniny mba hivavaka. Somary mandrairay toaka sy mifoka mantsy ity tovolahy ity hoy ny loharanom-baovao azo. Tsy mahazaka miaina isa’andro izany kosa ny Reniny ka ny hitondrana azy hivavaka mba hiovany no tena tanjony. Indrisy anefa fa raha iny natory tsara teo am-pandriana ity Renim-pianakaviana ity dia novelesin-janany tamin’ny famaky avy hatrany ny lohany ka tsy afa-nihetsika intsony. Olona teo an-tanana nahita azy efa nihosin-dra rehefa tsy nivoaboaka ny trano no namonjy azy saingy indrisy fa tsy tana intsony ny ainy. Efa nifampitadiavana moa ity tovolahy nahavita namono an-dReniny ity hatramin’ny omaly.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay Renim-pianakaviana namoy ny ainy
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny