airtel

Actualités

07-janv-2025

Morondava

Ray nanolana zanaka vavy nidoboka am-ponja

Sample post image

Mirongatra ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy any amin’ny distrikan’i Morondava,

07-janv-2025

Faritra Menabe. Raha araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia Raim-pianakaviana iray 35 taona no tratra nanolana ny zanany vavy vao 15 taona monja ny herinandro teo. Teo am-panaovana ny filan-dratsiny mihitsy itsy voalohany no tratra ka taorian’ny niakarany teo anivon’ny Fampanoavana dia naiditra am-ponja vonjimaika ny anaolahy mba ho famaizana azy. Ankoatra ity tranga ity dia Ray aman-dRenina vehivavy iray ihany koa no tonga nitory teo anivon’ny mpitandro ny filaminana noho ny vono nataon’ny vinantolahiny tamin’io zanany vavy io. Nambaran’ireo tompon’andraikitra any an-toerana fa tsy voatery ilay olona lasibatra no mitoroka fa afaka mitoroka avokoa izay rehetra manana porofo ho fiarovana ny ain’olombelona. Matetika mantsy hoy izy ireo dia mihatra aman’aina hatrany izany rehefa tsy misy fepetra raisina. Tsy ho an’ny distrikan’i Morondava ihany moa no nanaovan’izy ireo izany fanentanana izany fa ho an’ireo distrika miisa 5 mandrafitra ny Faritra Menabe manontolo mihitsy.
Pati
Legende : Betsaka ireo vehivavy vonoim-badiny tahaka izao ao an-tokantranony !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap