niainga avy amin’ny mpanao politika Johny Paul Andrianjakatiana, fa voasambotry ny polisim-pirenena teo 67Ha i Moussa Soalihy. Tsy mbola nisy ny fanamarinana ofisialy sy ny filazana mazava ny antony, fa ny fikaroham-baovao tsotsotra dia nanamarina ny fisian’ny fisamborana, saingy tsy fantatra mazava ny toerana nitondrana azy. Andrasana anefa ny tatitra ofisialy. « Chargé de mission » teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika i Moussa Soalihy tamin’ny fitondrana Rajoelina. Voalaza fa mpiara-miasa akaiky amin’ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena avy amin’ny fanoherana Milavonjy Philobert rehefa voafidy ho filoha lefitra faha-7 io depiote voafidy tany Ambovombe io. Anisan’ireo mpanao politika avy amin’ny fanoherana tsy manana « immunité » na zo tsy azo henjehina sahy niatrika sy tsy nitsoaka tany ivelany i Moussa Soalihy, fa niavaka ihany koa tamin’ny fitsongolohana ireo teboka heveriny fa miiba mivantana na ankolaka mamely ny fitondrana ankehitriny, izay nampiarahany tamin’ilay hoe : « kasongoo eee », toa nisy endrika esoeson-teny sy fanomezana lesona indraindray. Maro ny nitsikera azy ho tsy tsara toerana hitsikera sy hanome lesona raha ny tsy fahombiazan’ny Fitondrana izay notohanany, saingy naneho ihany koa fifandraisana sy fifanajana tamin’ireo namany tsy nitovy hevitra ara-politika izy tamin’ny lafiny iray. Nisy ihany koa anefa ny olom-pirenena nitaraina noho ny teny tsy mendrika nataon’ity mpanao politika ity tany amin’ny hafatra miafina noho ny fitsikerana ny fanehoan-kevitra nataony. Andrasana ny mety ho fanazavana ofisialy manodidina ny fisamborana hoe : misy ifandraisany amin’ny politika sa antony hafa ? Tafiditra amina raharaha fikasana hanao fanakorontanana politika? Andrasana ny tohiny…
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»