mihitsy ary tena natsangan-javatra maro. Raha tsiahivina kely mantsy dia 100% ny zanaky ny vola hampindramin’izy ireny ao anatin’ny iray volana monja. Raha 100.000 Ar no alaina sy hindramina anio alatsinainy 07 novambra ohatra miaraka amin’ny antoka mifanaraka amin’izany dia miverina 200.000 Ar izany amin’ny 07 desambra ho avy io. Raha mbola tara ny fotoana handoavana azy dia mbola mitombo ny zanany ary mety hihafara amin’ny fakana ilay entana natao antoka mihitsy izany. Tato anatin’ny enim-bolana teo ho eo anefa izao dia mitaraina ho tsy misy mpanjifa intsony izy ireny. Aleon’ny olona lavitra mantsy amin’izao mihindram-bola amina orinasam-pifandraisana iray. Sady tsy ilana antoka izany no tsy ilana taratasy ihany koa fa rehefa tonga kosa ny fe-potoana dia aloha. Ny 60%-n’ny mponina eto Antananarivo renivohitra raha kely no efa manao azy io amin’izao izay manomboka amin’ny 20.000 Ar . Very fanahy mbola velona araka izany ny ankamaroan’ireo mpampanjana-bola.
Nangonin’i Pati
Legende : Aleon’ny olona mihindram-bola amin’ny finday amin’izao toy izay aman’olona
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,