fiara ny vakansy lehibe tahaka izao. Tena maina anefa ny tsena tamin'ity vakansy taona 2026 ity raha araka ny fanadihadiana natao. Hatreto mantsy dia tsy dia marisika firy intsony amin'ny fanofana fiara ny fianakaviana Malagasy indrindra raha handeha lavitra. Iray andro sy roa andro no misy raha araka ny fanadihadiana natao hatrany, tsy mandeha lavitra fa mijanona eo Ampefy na Antsirabe dia miverina. Tena sahirana ny fianakaviana Malagasy hoy ny mpampanofa fiara iray. Tato anatin'ny 5 taona raha araka ny fanazavany no tena nahitana taratra izany. Mihena isan-taona ny mpanjifan'izy ireo no sady tsy mahasahy mandeha lavitra intsony. Fahiny anefa hoy izy misy fianakaviana mahavita manofa fiara mandritra ny 10 andro miazo an'i Mahajanga mandroso sy miverina, mbola manofa trano fandraisam-bahiny... 150.000 Ar isan'andro eo no hofan'ny fiara iray mahazaka olona 6 eo ho eo isan'andro raha eto Antananarivo sy ny manodidina, tsy miantoka solika. Misy mahatratra 200.000 Ar isan'andro kosa izany ho an'ny fiara tsy mataho-dalana toy ny 4x4....Efa kaonty hafa kosa raha miazo an'i Toamasina sy Mahajanga. Miakatra hatrany amin'ny 250.000 Ar isan'andro mantsy ny hofan'ny fiara raha azo hifanarahana kosa ny solika lany. Ny tompon'ny fiara no miantoka ny mpamily.
Pati
Légende : Be mpitia ny fiara Starex tahaka izao rehefa vakansy hofaina entina mitsangatsangana !