airtel

Actualités

24-févr-2022

Actualités

Mpampianatra EPS “Esory Ratsivahiny fa tsy mendrika”

Sample post image

Tsy mbola tapitra hatreo ny raharaha momba ny fifamaliana teo amin’i Dadan’i Brayan na Depiote Andry Ratsivahiny sy ilay mpampianatra taranja ara-panatanjahantena (EPS) Ramose Njara na Randriamanendrika Anjarasoa.

24-févr-2022

 

 Nanazava ity mpampianatra EPS efa 26 taona niasana ity, fa nisy ampahany tamin’ny resaka sy fifamaliana no tsy tafiditra tao anatin’ny horonan-tsary navoakan’ny depiote Andry Ratsivahiny. “Nanompa izy, hoe: aiza ilay mpampianatra, fa maninona ny zanako no atao ohatran’izao, ompa, ompa, ompa, ompa nisesisesy no tohiny, ary ny mpianatra dia vavolombelon’ny zava-nitranga”, hoy i Ramose Njara omaly tamin’ny fampahalalam-baovao. Nilaza io mpampianatra io, fa tsy nekeny ilay hoe atao izay tiany atao, izay vitany no atao satria manimba ny moralin’ny mpianatra rehetra... Mifanindran-dàlana amin’izay, nanao fanambarana ny Sendikan’ny mpampianatra EPS omaly, fa tsy Ramose Njara irery no voahivahiva fa ny taranja ara-panatanjahantena mihitsy. Mitaky fifonana ampahibemaso, ary mitaky ny fanesorana ny Depiote Andry Ratsivahiny tsy ho Filohan’ny Kaomisionin’ny fanatanjahantena ao amin’ny Antenimieram-pirenena izy ireo. “Tsy maintsy atao, tsy mifidy ankizy, mahatsapa izany Atoa depiotee ka tonga namingavinga an-dramose Njara. Miray hina ny mpampianatra”, hoy izy ireo. “Satria am-pahibemaso ny fanalam-baraka nataon’Atoa depiote an’Atoa Njara, ka tsy izy irery intsony no mijoro fa eritreretinay fa izahay rehetra no natao izany. Teo imason’ny zanakay no natao, ka mangataka fifonana ampahibemaso eo anatrehan’Atoa Njara, eo anatrehanay mpampianatra, eo anatrehan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra tafitohina, eo anatrehan’ny mpianatra. Nilaza kosa ny vadin’ny Depiote Andry Ratsivahiny omaly, raha niresaka an-taroby tamina vehivavy iray antsoina hoe: Vanessa Manonga hoe: “tsy afaka hifona intsony izahay, efa nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ary nisy fialan-tsiny tao, assumé”-nay ny “responsabilité” anay”.
Toky R

 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Namoaka tatitra momba ny ady amin’ny kolikoly mandritra ny taona 2023 ny tendrom-pitsarana manokana

Card image cap
02-mai-2024

Nitory ny Mpikamban’ny HCC na ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana eny amin’ny Fitsarana ambony na ny HCJ (Haute Cour de Justice)

Card image cap
02-mai-2024

Voatery teny an-dalambe no navoaka ny mofomamy nanamarihan’ny Randrana sendikaly ny fetin’ny asa omaly

Card image cap
02-mai-2024

hitodika amin’ny fanatsarana ny famatsiana ny rano fisotro madio eto amin’ny faritra Analamanga ny fitondrana.

Card image cap
02-mai-2024

Mahatratra 6 tapitrisa ireo olona mipetraka eto amin’ny lemak’Antananarivo amin’izao.

Card image cap
02-mai-2024

Nitombo hery ka nivadika ho andro ratsy na depression tropicale ilay tangoron-drahona ao Avaratry

Card image cap