airtel

Actualités

19-févr-2026

Mpanakanto miray feo

Madagasikara Hanao seho lehibe ho fanohanana ny traboina

Sample post image

Hanao hetsika lehibe antsoina hoe

19-févr-2026

La nuit de la solidarité” ireo mpanakanto Malagasy mivondrona anatin’ny Mpanakanto Miray Feo Madagasikara. Ny tanjona dia ny hanangona vola hanampiana ireo vahoaka traboina noho ny fandalovan’ny rivo-doza Gezani, izay namely mafy indrindra ny faritra Toamasina. Ankoatra ny saram-pidirana, hisy ihany koa vata manokana ahafahan’ny olom-pirenena mandrotsaka izay fanampiana kely ho fanohanana ny hetsika. Miisa 3 ireo seho: La City Ivandry 20 febroary manomboka amin’ny 8ora alina ahitana an’i Melky, Stéphanie, Ceasar, Jaojoby, Black Nadia, Wawa (PAF: 20.000 Ar) ; Le Glacier Analakely 20 febroary ihany: Wendy Cathalina, Lola, Jerry Marcoss, Lico Kininke (PAF: 10.000 Ar). Le Glacier Analakely 21 febroary: Tanjona R., Ckycky, Ndondolah & Lucia, Sisca, Stéphanie, Fandrama, Dadi Love (PAF: 10.000 Ar). « Zava-dehine ary masina aminay mpanakanto ny kolontsaina Malagasy, ka anisany ny Firaisankina. Hifanome tanana amin’ny voin-kava mahatratra, tsy maintsy mandray anjara, handray anjara ny mpanakanto tsy ankanavaka fa mitondra teny ihany izahay. Hamehana ity, misy ireo efa handray anjara, fa mbola ho avy ny manaraka. Manentana ny rehetra mba samy handray anjara sy hanao tolo-tànana ho an’ireo havantsika, hoy i Christian Salala Filohan’ny Fikambanana Mpanakanto miray feo Madagasikara. Nanaiky an-tsitrapo ny mpanakanto, ny talenta no anananay, dia mba izay entinay hampiasaina hisarihana olona, hoy izy nandritra tafa sy valan-dresaka nataon’ireo mpanakanto maromaro sy mpanohana, nahitana an-dry Rajery, Jaojaoby, Ndondolah, Fandrama,...
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap