airtel

Actualités

05-juil-2021

Actualités

Mpanao gazety Gaelle Borgia Takian’ireo mpitana hazomanga ny fifonany

Sample post image

Nanao fanambarana ireo Olobe avy any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny ny sabotsy teo manoloana ny horonan-tsary navoakan’ilay mpanao gazetin’ny France 24 eto Madagasikara, Gaelle Borgia,

05-juil-2021

  fa tena miharo fanambaniana sy eso ny razan’izy ireo ny horonantsary voizin’ity mpanao gazety frantsay ity any amin’ny tambazotran-tserasera Facebook. Nanamafy izy ireo fa tsy marina ny filazana fa mihinana hatramin’ny kapa hoditra ny kere any an-toerana. Miantso ny fitondram-panjakana izy ireo mba hijery ny zava-misy marina any an-toerana. Aleo hazava tsara fa tsy manakana izay mpanao gazety hanao fanadihadiana aty izahay fa ny filazana fa mihinana kapa hoditra kosa ny mponina aty dia melohinay satria fanambaniana ny razanay izany. Aty aminay ny teny diso “tena” kabary, hoy izy ireo, ka mangataka anao izahay ry madama mpanao gazety mba hiverina aty Androy hifona sy hanao ny fomba ho fanonerana izany fa tany masina ny aty, hoy hatrany ireto mpitana hazomanga ao Ambovombe Androy ireto. J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap