airtel

Actualités

07-août-2023

Actualités

Mpanao gazety Nisy nanafika ny namana Martial

Sample post image

Nandeha moto na kodiaran-droa ny namana mpanao gazety eo anivon’ny haino aman-jery rahavavy Viva, Martial, izay miasa ao Vakinankaratra sy Itasy,

07-août-2023

raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo, ny zoma 4 aogositra 2023. Teny an-dalana no nisy moto nanao taingin-droa nifanena taminy ka nanery ny lalany mba hahazo sisiny izy raha iny izy nanao fanadihadiana mombana raharaha ao Betsoahana, distrikan’i Mandoto iny. Raharahana ady tany moa no voalaza fa fototry ny fanadihadiana natao. Rehefa nahazo sisin-dalana dia nisy 5 lahy nipoitra avy any anaty bozaka nanambana hazo maranitra sy famaky. Nitaky vola sady nively azy. 200.000 Ariary latsaka no tany am-paosy ka izay no nomena ireo olon-dratsy. Rehefa tsikaritry ny olon-dratsy fa moto an'ny depiote Rakotorahalahy Modeste no nentin'i Martial dia nisy niteny izy ireo hoe "tena moto an'ny depiote io! mpanao gazety io fa ialao!", nahita ny karatra maha mpanao gazety tao anaty poketra na "portefeuille" nosavain'izy ireo. Taorian'izay no nisy nively kibay ihany izy ka torana. Rehefa nahatsiaro tena dia nandre ny finday naneno. Ny ben'ny tanàna ao Betsoahana no niantso. Nanontany ny toerana nisy azy. Teo no nilaza ny fahavoazana izy. Niantso ny CB Mandoto avy hatrany ny ben'ny tanàna ka niara-tonga namonjy azy ny zandary avy any Mandoto sy Betsoahana ary fiarabe mpividy entana no nitondra azy nihazo an'Ankazomiriotra. Rehefa tonga teo Ankazomiriotra izy dia ny fiara mpitondra marary avy amin'ny depiote no nitondra azy notsaboina ao amin'ny CRMM Hopitaly Atsimo Antsirabe. Tena tsara fandraisana aho hoy izy tato ary isaorako feno ny fandraisana an-tanana nataon'ireo tomponandraikitra sy ny olafitry ny mpanao gazety. Nisafidy ny hatao "plâtre" na nofehezina izy fa tsy nodidiana ary mitohy ny fitsaboana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap