airtel

Actualités

03-juin-2026

MPANAO POLITIKA

SY MPITONDRA FIVAVAHANA

Sample post image

Mety mitovy nefa mety tsy hitovy hoy Pastera Heritiana

03-juin-2026

Nandehabe ny feo tato ho ato fa mitovy ihany ireo mpitondra fivavahana sy ny mpanao politika eto amintsika. Samy mpambotry vahoaka hoy ny sasany no sady mpamitaka. Tsy niahotra akory Pastera Heritiana Randriarimalala filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko raha nanontaniana ny mikasika izany. Nambarany fa mety ho marina izany nefa mety tsy ho marina ihany koa. Ho an'ny mpanao politika hoy izy dia tena misy tokoa ireo mpamitaka sy mpambotry vahoaka. Fa misy koa anefa ireo tena miasa amin'ny fo sy tia tanindrazana. Toraka izany koa ny mpanompon'Andriamanitra hoy izy. Misy ireo tena milofo fatratra hampandeha ny asan'Andriamanitra sy mamonjy fanahin'olona raha misy koa ireo mifanohitra amin'izay. Ho azy manokana dia nomarihiny fa antso ny asan'Andriamanitra. Tsy hataotao foana fa famonjena fanahin'olona hoy hatrany izy.
Pati
Légende : Pastera Heritiana Randriarimalala mpanaraka raharaham-pirenena koa !
 

Dans la même rubrique

07-août-2026

Amperin'asa ny Delegasiona

Card image cap
07-août-2026

amin'ny ady amin'ny kolikoly

Card image cap
07-août-2026

Misokatra ny làlana ho an’i Madagasikara sy Afrika Atsimo

Card image cap
07-août-2026

Hojerena ny fomba hampandehanana azy

Card image cap
06-août-2026

Lafin-javatra iray heverina fa manahirana na

Card image cap