Porofo izany fa voafehiny ny asany iray ity na dia ny beach soccer aza no tena nahafantarana azy naha tompondakan'i Afrika ireo Barea. Fa tsy ela dia efa nalaza any Seychelles izy raha nitondra ny Anse Réunion izao. Mbola ny 28 septambra moa vao tena manomboka ny fiadiana ny tompondakan'i Seychelles fa mbola manao ireo lalao fanomanana daholo ireo klioba. Ary teo dia tsy nisy nikianina ny zava-bitan'ity mpanazatra ity fa dia fandresena in’efatra nisesy no azon'ny Anse Réunion Nandresy ny Bel Air FC 4 noho 2 avy eo nanilika ny Mont Fleuri 4 noho 1. Mbola nampiondrika ny Rovers FC 2 noho 1 ihany koa fa ny tena nampiaiky ireo Seychellois dia ny nandreseny 1 noho 0 an’i Saint Louis . Ny asa miaro firaisankina ihany hoy Maître Solofo no ahitam-bokatra. Rehefa miray hina ny mpilalao rehetra sy ny mpitondra dia tonga ho azy ny fahombiazana. Tsy nanafina anefa izy fa tombony ho azy ny fisian'ny mpilalao malagasy efatra ao anatin'ity Anse Réunion ity dia i Fabrice izay mpilalaon'ny Fosa taloha ary Franck Uscafoot miampy an'i Nardo zanak'i Bob tao amin'ny COSFA ary Iavotriniana Razafindratsimba izay vao nahafaty baolina teo tamin'ny fihaonana tamin'i Mont Fleuri. Mety izany aloha hatreto ny nataon'i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy. Ary izao no mitohy dia mety alainli Seychelles hitondra ny ekipam-pirenena koa izy toa an'i Saindina Bruno. Fa ny tena azo eritreretina dia mety hantsoin'i Nahoda Edmond Robert koa izy ho any amin'ny beach soccer izay efa manomboka be mpakafy any Praslin sy Mahé.
Clément RABARY
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny