airtel

Actualités

21-oct-2025

Mpandraharahan’ny fonja

Mitohy ny fitakiana, tsy ekena ny « mpijapy train »

Sample post image

Nanamafy ny fiarahabana ny Filoha vaovao

21-oct-2025

Randrianirina Michael vao avy nahavita fianianana ny mpandraharahan’ny fonja, ka nirary azy hotahian’Andriamanitra amin’ny adidy masina miandry azy. Nambaran’ny SPAPM fa nahomby ny tolona natao, ary anisan’ny nanana anjara biriky lehibe nahazoana vokatra ny fitsanganan’izy ireo. Na izany aza, mbola tsy tratra ny tanjona ka mitohy ny fitakiana ho azy ireo « Tsy mihemotra amin’ny fanapahan-kevitra izahay, raha tsy hita maso fa ao anatin’ny governemanta vaovao ny sekreteram-panjakana misahana ny fonja. », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny SPAPM Myridin Razafiberison. Nisy fifanatonan’ny mpandraharahan’ny fonja tamin’ny tompon’andraikitra tarihin’ny Filoha vaovao, nahavelom-bolo saingy mitohy ny fitakiana mandra-pahatanterahany. Nanao fivoriambe natrehan’ny mpikambana rehetra mantsy ny SPAPM omaly, ka tapaka fa mitohy ny fanapahan-kevitra tsy handray voafonja sy tsy hanao asa miaka-midina eny amin’ny tribonaly mandra-pivoahan’ny sekreteram-panjakana. « Isan’ny mpandray anjara fototra tamin’ny fandrodanana ny Fanjakana tsy refesi-mandidy izahay. Raha tsy nohidianay ny fonja dia nanjaka ny fisamborana (arrestation) sy fanagadrana (incarcération) nanohintohina ny tolona, ka ny andraikitra noraisinay dia anisan’ny singa goavana nampirodana ny fitondrana tsy refesi-mandidy teo aloha. », hoy Atoa José Thierry, Filoha lefitry ny SPAPM. Manamafy ny SPAPM fa rariny ny fitakiana sekreteram-panjakana, indrindra raha fanovan-drafitra no resahana. Momba ny tohin’ny raharaham-pirenena, tsy nisorona ny SPAPM manoloana ny firohotr’ireo « mpijapy train » teny amin’ny CAPSAT, Ambohitsorohitra, sy Iavoloha, indrindra ireo mpanao politika tsy nisy hidirany tamin’ny tolom-bahoaka. « Raha nisy ny tolona, dia ny Gen Z, ny sendikalista toa anay, ny firaisamonim-pirenena,… Gaga izahay mahita olona tsy misy hidirany akory no misarangotra mangataka fihaonana amin’ny Filoha indrindra ireo mpiray petsapetsa tamin’ny mpitondra teo aloha izay namotika ny « administration ». Raha tena fanovana rafitra tokoa no tadiavina sy nimatimatesana nanaovana tolona niaraka, dia aoka mba tena fanovana tokoa no atao fa tsy famerenana ny fomba fanao ratsy teo aloha nanimba ny Firenena, ka mba tsy ho very maina ny ezaka sy tolona natao », hoy hatrany Atoa Myridin Razafiberison . Mikasika ny resabe manodidina ny famoahana gadra, nanamafy ny mpandraharahan’ny fonja fa tsy manana fahefana hamoaka voafonja raha tsy misy taratasy mazava. Raha nisy nivoaka dia nisy taratasy ara-dalàna, niainga avy amin’ny lisitra navoakan’ny Fanjakana. Aoka hiandry ny fanadihadiana notakian’ny Filoha Randrianirina Michael, matoky tena izahay mpandraharahan’ny fonja fa tsy nandika lalàna, ka aleo handeha ny fanadihadiana, hoy izy ireo. Ireny tranga famoahana voafonja baiko midina ireny no anisany mahatonga anay mitaky ny fahaleovatenay Fandraharahana ny Fonja satria izahay no tompon'andraikitra amin'ilay asa nefa hafa no manome baiko midina mandray fanampahan-kevitra amin'ny asany, izay tena manimba anay Mpandraharaha ny Fonja, hoy ny SPAPM.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap