ny malagasy mpanentana ara-panatanjahantena ao Frantsa, Françis Rakotovao. Takaitra tamin’ny lozam-pifamoivoizana teny ambony bisikileta moa no voalaza fa namotika ny tsy fahasalamany ary nitarika izao fahafatesany izao. Mpitantara baolina ofisialy eny an-kianja ao amin’ny klioban’ny Le Havre Athlétic Club, divizionina voalohany ao Frantsa, hatramin’ny taona 2022 moa no tena asany na irony antsoina hoe «speaker» irony. Nilaza ity klioban’ny HAC ity fa tena olon’ny fiarahamonina sy tompon’ny tsiky isan’andro raha i Françis Rakotovao. Nanam-piniavana hatrany nanaraka ny klioba ary lasa mpanohana mahafatra-po mihitsy. Mirary fiononana feno ho an’ireo akaiky azy rehetra sy ny fianakaviany, noho izany, ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340
Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny
Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny