Lasa manao cash point fa tsy an'asa avokoa ireo mpianatra ho mpitsabo sy mpampivelona navoakan'ny sekoly ambony IFIRP. Miisa 3.000 izy ireo manerana ny Nosy mpianatra nivoaka nanomboka tamin'ny taona 2021 ka hatramin'ny taona 2024 teo. Tonga nanao hetsika teny amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka teny Ambohidahy izy ireo omaly Alatsinainy 29 Jona nitaky ny zony. Nambaran'ny solontenan'izy ireo fa efa nisy ny poste budgétaire navoakan'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ity Ministera ity tamin'ny taona 2025 teo mikasika ny tokony handraisana ireo mpianatra ho mpitsabo sy mpampivelona ho mpiasam-panjakana. Mbola lisitra foana anefa no mivoaka hatreto fa tsy misy ny tena fanatanterahana izany mipaka mivantana any amin'ireo mpianatra. Ankoatra izay hoy izy dia misy ny fanavakavahana. Miisa 300 ireo fantatra fa horaisina saingy mpampivelona ny 136 isa raha infirmier généraliste ny 127. Tsy tafiditra anaty lisitra hoy hatrany izy ny technicien de laboratoire, ny kynesytherapeute.... Nilaza moa izy ireo fa hanohy ny hetsika fitakiana hatrany mandrapisian'ny valinteny mahafa-po avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka. Ho an'ireo mpianatry ny IFIRP manokana mantsy dia fantatra fa tsy maintsy miasa amin'ny fanjakana izy ireny fa tsy afaka miasa ho azy manokana na miditra eny amin'ny sehatra tsy miankina.
Pati
Légende : Ny solontenan'ireo mpianatra nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly !