airtel

Actualités

21-mars-2024

Mpianatra very tao amin’ny lisea Fanavotana

Manana olana ara-tsaina izy, hoy ny talen’ny sekoly

Sample post image

Fanontaniana mipetraka ankehitriny ny hoe hatraiza ny fahefan’ny

21-mars-2024

mpanabe sy tomponandraikitra eny anivon’ny sekoly mikasika ny fanabeazana eny anivon’ny sekoly amin’izao fotoana izao, hoy ny talen’ny lisea tsy miankina Fanavotana etsy Ankasina, Heriniaina Razanadrakoto, naneho ny heviny manoloana ny trangana fahaverezana mpianatra tao amin’ity sekoly ity ny herinandro teo, omaly. Hitantsika amin’ny haino aman-jery, tambazotran-tserasera, hoy izy, fa rehefa voakasika ny ankizy iray amina fanasaziana na fikasihan-tanana na fitenenana, ny azon’ny mpanabe malagasy dia fonja, mpiaro ny zon’ny ankizy, ONG, indrindra, izay voizina ankehitriny, dia ny ady amin’ny herisetra. Tsara izany rehetra izany fa ny fandraisana fepetra mifanaraka aminy nefa tsy misy, hany ka raha vao misy zava-mitranga ety anivon’ny sekoly dia mijoro ny ray aman-dreny mitory eny amin’ireny fikambanana sy ny namany ireny. Na zavatra atao hoe entina hanabeazana sy hanitsiana ny ankizy aza dia entina eny amin’ireny sehatra ireny avokoa. Na ny eny anivon’ny tambazotran-tserasera na haino aman-jery dia samy hanatonan’ny ray aman-dreny, hany ka mitotongana ny fanabeazana malagasy ankehitriny. Tsy afaka ahitsy na tenenina na beazina intsony ny zaza malagasy ankehitriny fa lasa matahotra ny mpampianatra. Ilay zava-nisy teto anivon’ny sekoly moa hoe nisy volana mpampianatra nalaina ankizy tao anaty kitapon’ilay mpampianatra. Rehefa natao ny fanadihadiana tao an-dakilasy dia hita tao amina ankizy iray ilay vola very. Rehefa hita ilay vola dia nampiantso ny ray aman-dreny izahay dia rehefa nanontaniana ireo nefa dia sady tsy very vola no nampitondra vola ny zanany fa voamarina izany fa volan’ilay mpampianatra no tany amin’ilay mpianatra. Vao nampanantsoina ny ray aman-drenin’ilay ankizy dia tsy hita io mpianatra io. Nirahan’ny ray aman-dreny hividy sakafo tamin’ny 6 sasany maraina izy dia tsy niverina intsony raha tsy 2 andro. Rehefa nanontanian’ny fiarahamonina dia izay navaliny hoe natahotra noho ilay vola tsy hita taty am-pianarana. Izy nefa tsy nobedesina, tsy natao na inona na inona fa ny ray aman-dreniny no nampanantsoina. Manao antso avo ho an’ny mpitondra fanjakana rehetra sy ny tomponandraiki-panjakana voakasika na ireny fikambanana misahana izany rehetra izany ireny hoe alohan’ny hiresahana zavatra iray dia tokony manadihady hoe inona no antony. Vao haingana teny Talatamaty no nisy mpampianatra namelaka mpianatra. Ny hitantsika tany amin’ny tambazotran-tserasera dia ilay mpampianatra namelaka fa ny nahatonga izay tsy hitantsika. Avy isika dia manameloka ilay mpanabe. Izay ilay mampalahelo anay sy anton’izao antsoavo izao. Antsoavo koa no atao amin’ny ray aman-dreny hoe fitsipika na «discipline» no ahitana vokatra amin’ny fanabeazana. Rehefa tsy azo ahitsy aty am-pianarana ny zanakao dia tsy hisy vokany. Tsy noroahanay ilay zaza fa ny fepetra napetrakay fotsiny dia hoe aterina sy alain’ny ray aman-dreniny io zaza io. Marihina fa manana olana ara-tsaina io mpianatra io ary izay koa no nahatonga azy nanaotao foana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap