Efa misy mahatratra 500 Ar mantsy ny iray amin’ireto farany raha mbola nahazo 300 Ar teo aloha. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra dia vokatry ny fidangan’ny vidin’ny lafarinina sy ny siramamy ary ny menaka no antony mahatonga izany. Tsy nitsahatra ny nanara-maso io tranga io ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa eto amintsika, tarihin-dRazafindralambo Lalaina noho ny kafe sy mofo izay tafiditra ao anatin’ny sakafo atoandron’ny Malagasy ankehitriny. Efa diso sahirana loatra mantsy ny isan-tokantrano ka ny sakafo hariva hiarahana amin’ny fianakaviana sisa no tsy maintsy ezahina fa ny maraina sy ny atoandro dia samy manao izay hihinanany eny rehetra eny. Nisy ny fidinana ifotony nataony ka fantatra fa ho nidina ho 165.000 Ar ny lafarinina iray gony raha nahatratra 185.000 Ar teo aloha. Miantso ireo mpivarotra kafe sy mofo mba hampidina ny vidin’ny mofo hamidiny avy hatrany ny tenany noho izany fa tsy sanatria hanararaotra ny fahasahiranan’ny Malagasy izay efa tena mihinana tapa-kibo avokoa ny ankamaroany. Notsiahiviny moa fa isika samy Malagasy ihany no mifamono an-toerana eto raha tsy misy ny fahatsapan-tenan’ny tsirairay.
Pati
Legende : Na ny kafe na ny mofo efa tsy misy latsaky ny 200 Ar intsony vao mahazo eny an-tsena eny !
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,