airtel

Actualités

05-févr-2024

MPIASAM-PANJAKANA EFA MISOTRO RONONO

Tratra nisoloky, milaza fa mahavita mampiditra ho delege

Sample post image

Raim-pianakaviana piasam-panjakana iray efa lehibe no sady efa misotro ronono

05-févr-2024

no tratra nisoloky tao Farafangana ary naiditra am-ponja. Raha tsiahivina kely tamin’ny volana Febroary taona 2023 dia nisy vehivavy nitady olona maniry ho lasa delege. 16.000.000 Ar no aloha aminy amin’izany. Tovolahy roa no voasarika ka nomen’ireto farany manontolo ny vola. Tsisy akory anefa ny asa nampanantenain’io Ramatoa io hatramin’ny volana Septambra 2023 ary tsy hita intsony ilay vehivavy. Nitory izy 02 lahy voasoloky ny 15 Septambra vokatr’izany. Tratra teto Antananarivo ny 26 Desambra ilay ramatoa ary efa migadra ao Farafangana. Nanamafy anefa izy fa tompon’andraikitra ambony misotro ronono no miara-miasa aminy nomeny ny vola sy nampitady olona.Nitohy ny fikarohana. Nitory an'io atidoha io ireo voasoloky. Araka ny vaovao azo dia efa mpamerin-keloka amin’ny fisolokiana ao Morondava izy io.Nalefa tany an-toerana ny zandary ao amin’ny GAPJ Atsimo Atsinanana noho izany nitady sy nisambotra azy niaraka tamin’ny zandary ao amin’ny GAPJ Menabe. Herin-taona taty aoriana, tratra ity farany ary nentina tany Farafangana nohadihadiana. Nanomboka nanefa an-tsitrapo izay vitany tamin’ny vola nosolokiany izy teo ary natolotra ny fitsarana afak’omaly Sabotsy 03 Febroary. Naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana azy ny anaolahy.
Pati
Legende : Ity Ingahirainy ilay tena ati-doha efa maka saina any am-ponja !
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap