ofisialy fa hanome tambim-pankasitrahana manokana na "prime exceptionnelle" ho an’ny mpiasam-panjakana ny Fanjakana Malagasy amin'ny endriny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Governemanta. Noraisina ny fanapahan-kevitra taorian’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika momba ny fahasahiranana lalina iainan’ny mpiasam-panjakana eo am-panatanterahana ny asany, ka tsy mbola nisy tambim-pankasitrahana nomena azy ireo hatramin’izay. Ny didim-panjakana laharana 2025-2443 sy ny fanambarana ofisialy navoaka tamin’ny 27 desambra 2025 dia samy manamafy fa hisy tambim-pankasitrahana mitentina 310 000 Ariary ho an’ny mpiasam-panjakana rehetra, na raikitra na tsy raikitra, amin’ity taona 2025 ity. Tsy tafiditra amin’ity fizarana ity kosa anefa ireo mpiasa eo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Vola, satria efa mahazo tambim-pankasitrahana isan-taona hatramin’izay. Efa nolaniana sy nankatoavin’ny Filankevitry ny Governemanta tamin’ny 23 desambra 2025 ary navoaka avy hatrany ho fanatanterahana azy io fanapahan-kevitra io. Ny Praiminisitra Rajaonarivelo Heritsialama, ny Minisitry ny Toekarena sy ny Vola Dr. Ramiarison Herinjatov Aime, ary ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Gascar Fenosoa no nanasonia ny didim-panjakana, raha ny Talen’ny Serasera Rahajason Harry Laurent kosa no nanao ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika manamafy izany. Ity fanomezana ity dia heverina ho dingana lehibe amin’ny fanohanana ara-bola ny mpiasam-panjakana sy fankasitrahana ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fanompoana ny vahoaka, ary manamarika fifandraisana vaovao eo amin’ny fanjakana sy ny mpiasa amin’ny alalan’ny fizarana tombontsoa mitovy. Endrika maneho fa misy dingana lehibe sy fivoarana ny fijerena ny mpiasam-panjakana izay ain-dehiben'ny fitantanan-draharaham-panjakana satria efa nofaritana ao anatin'ny tetibolam-panjakana ihany koa ny fiakaran-karama 14% ho an'ny taona 2026, ny mety ho fiakaran'ny "indemnité de logement" any amin'ny volana jona 2026,... Zava-dehibe izany fa tsy mba misy azo atao ve na mety tsy hitovy tanteraka amin'ny mpiasam-panjakana aza ho an'ny sehatra tsy miankina ? Tahaka izany ihany koa ireo hafa toy ny mpampianatra FRAM sy ireo mpandray fisotroan-dronono ?
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»