airtel

Actualités

16-févr-2023

Actualités

Mpifankatia nangala-dia Latsaka tao amin’ny farihin’Andraikiba ny fiara nentina

Sample post image

Maro ny zava-nitranga afak’omaly talata 14 febroary nanerana ny Nosy nandritra ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia.

16-févr-2023

Ho an’ny tany amin’ny distrikan’i Sambava ohatra dia fantatra fa vehivavy roa izay tompom-bady sy sakaiza no nifandona mafy fa samy te ho eo akaikin-dRamose avokoa tamin’io afak’omaly io. Raikitra ny fifandonana vokatr’izany ka nosarahina mihitsy. Toraka izany koa ny tany Andraikiba Antsirabe. Raha araka ny feo mandeha dia mpifankatia nangala-dia izy ireo ary nitondra fiara tsy mataho-dalana.Asa na tara fodiana izy ireo na maika hamonjy ny tany an-trano fa ny accélérateur no voahitsak’ilay lehilahy izay namily raha ny tsindry hisatra no tokony nitsahiny. Vokany, nirimorimo namonjy ny ranon’Andraikiba ilay fiara ka tao anaty rano izy roa vao nijanona.Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Ny zandary avy eny amin'ny Poste avancé Antanamanjaka kosa no nanao ny asa famonjena ny ain'izy 2 kely. Efa tafakatra omaly moa ilay fiara nentin’izy ireo izay voatery nakana fitaovana mahery vaika mihitsy.
Nangonin’i Pati
Legende : Saika nitelina mpifankatia ny farihin’Andraikiba tamin’ny Saint Valentin farany teo
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap