Novonoin'ireo tovolahy roa anefa ny namany iray rehefa samy handeha hody izy ireo. Tsy vitan’izay fa mbola nalain’izy ireo ny finday tao am-paosiny, ity farany izay vao 22 taona monja. Tsy mbola fantatra teny am-piandohana fa izy roalahy ireo ihany no namono ilay namany. Rehefa nanao ny fanadihadiana anefa ny mpitandro ny filaminana dia fantatra fa izy ireo no nahavanon-doza. Raha araka ny fantatra dia iray làlana handeha hody izy ireo no nitsiry hevi-dratsy fifamoniana. Rehefa iray lalana iny zareo, ka mamomamo, dia ny iray naka ny findain’ilay maty an-keriny, ny iray kosa nitazona mafy ity namany mba tsy hahavita hihetsika mahery. Nanohitra ilay namany nandritra izany ka nitambaran’izy roalahy ary nakapok’izy ireo tamin’ny tany kinanjo nahazo vato ny hatony. Folaka tanteraka ny hatony araka izany, ka navelan’ireto farany teo ilay namany. Nisy nahita ity tovolahy ity tokon ho tamin’ny 03 ora maraina, ka niantso ny havany, ary noentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana nanaraka ny fitsaboana. Tsy tana anefa ny ainy ka ny Sabotsy 13 Aogositra teo izy no nindaosin’ny fahafatesana izany hoe : roa andro taty aoriana. Ny 23 Aogositra lasa teo kosa no voasambotra teny Ambatokaranana izy roa ahy ireto ka nentina nihazo avy hatrany ny birao teny Anosy nanohizana ny fanadihadiana. Niaiky avy hatrany fa nanendaka sady namono io namany maty io izy roalahy. Omaly izy ireo no niakatra teny anivon’ny fampanoavana ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy namono nahafaty ny namany
Mahatratra 305 miliara Ar ny faktioran-jiro sy rano tsy voaloan’ny Fanjakana amin’ny Jirama amin’izao fotoana izao. Ny MPEF (Mémorandum de Politique Économique et Financière)
Efa niverina amin’ny laoniny ny famatsiana sy fanamboarana pasipaoro eo anivon'ny polisim-pirenena rehefa
Nous sommes 8 milliards, stop ou encore” na hoe: “8 miliara isika izao, hoferana sa hotohizana ihany ? ”,
Nivoaka tamin’ny gazety an-tsoratra iray teto an-drenivohitra andro vitsy lasa izay fa namidin’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo ny ampahan’ny tanin’ny CEG ao an-toerana.