airtel

Actualités

14-févr-2025

Mpitandrina Avotra ho an’ny Firenena

«Tena efa mihatra isam-baravarana ny fahoriana»

Sample post image

Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako no ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny

14-févr-2025

tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony dia hihaino any an-danitra aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.», hoy ny voalaza ao amin’ny 2 Tantara 7, 14. Fotoana izao hiantorahantsika vahoaka malagasy amin’Ilay Andriamanitra Andriananahary manoloana izao zava-mihatra amintsika vahoaka malagasy izao, hoy ny fanambaràn’ireo mpitondra fivavahana eo anivon’ny M.A.F.I tetsy amin’ny Bon acceuil Ambatonakanga omaly. Ny antony, hoy izy ireo, dia noho ny fialantsika taminy. Araka io teny voalaza ambony io dia marary ny firenen’Israely tamin’izany fotoana izany ary niseho teo aminy ny fahoriana sy ny fampahoriana ataon’ireo fahavalo ka nahatonga azy ireo rava ny rafi-piaharamonina. Tahaka izany koa eto amin’ny firenentsika satria tena efa mihatra isam-baravarana ny fahoriana sy aretina ary ny tsy fandriampahalemana, ny tsy rariny ary ny tsy fahamarinana hany ka lasa miharatsy ny fiarahamonina malagasy izay fatra-panaja ny Fihavanana. «… fa ataoko ahoana ny fijery ny loza hanjo ny fireneko, ary ataoko ahoana ny fandringanana ny havako», hoy ny Estera 8, 6 « Koa avia ankehitriny ianao hirahiko», Eks3, 10. «Ity ny andro voatendrin’i Jehovah … mitsangàna mihazavà fa tonga ny fahazavanao», Salamo 118, 24, Isaia 60, 1. Araka izany, tsy afaka ny hitaza-potsiny ny Mpitandrina Avotra ho an’ny Firenena Ivondronan’ny Vahoaka na M.A.F.I manoloana izao fahoriana manjo ny firenentsika sy ny vahoaka izao. «Indro ny aizina manarona ny tany ary ny aizim-pito manarona ny firenena.», Isaia 60, 2. Koa tery am-panahy tanteraka izahay ka mijoro ankehitriny handray andraikitra, hitondra am-bavaka ho an’ny tanindrazana amin’ny maha olompirenena sy ny maha olon’Andriamanitra anay. Ny sabotsy 15 febroary 2025 dia hisy ny vavaka sy fiderana ho an’ny tanindrazana izay tanterahina ao Antsahamanitra. Hisy ny fideràna iarahana amin’ny tarika Rojo ny Avo, Tonton Dede sy namany izay avy ao amin’ny Ampifitia, Tarika ny José Hasina ary Mamitiana + sy ny mpanakanto maro hafa tsy ampoizina. Tsy misy resaka politika ary tsy hidiran’ny mpanao politika ity hetsika ity, araka ny fahazoan-dalana avy amin’ny Prefektoran’Antananarivo. Isaorana etoana azy ireo ny fiantohany ny fandriampahalemana misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Araka izany dia miantso ny mpitondra eto amin’ny firenena izay efa nandefasana fanasana avokoa mba hanontrona izany fotoana izany. Miantso ny mpanao politika sy ny hery velona ary ny vahoaka malagasy ho tonga hivavaka araka ny antsoantso etsy ambony.Tsy misy afa-tsy ny fiverenana amin’Andriamanitra no ahitantsika vahaolana eto amin’ny firenena koa alao hery ry vahoaka malagasy! Andao hivavaka, Andao hidera hanandratra ny feontsika rehetra mba ho henoin’Andriamanitra ny vavaka izay asandratsika, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny M.A.F.I!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap